Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TSY HAY HADINOINA

Daty
Alahady 08 September 2024

Vakio ny Mar. 14:1-11. Inona ireo tantara roa voalaza eto, ary inona no ifandraisany?

 Voalaza ao amin'ny Mar. 1 fa roa andro sisa dia ho tonga ny Paska. Na ny alin'ny Talata, na ny Alarobia tao anatin'io herinandro io ny fivoriana eto. Nanao kajikajy nandamina fotoana ireo mpitondra fivavahana. Ny fomba hanatrarana ny tanjony sisa no notadiaviny. Tsy nampoiziny ny nahitany izany fomba izany.

Ity ampahan-tSoratra Masina ity no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahadimy ao amin'ny Marka (jereo ny lesona 3). Ampifandraisina eto ny tantaran'ny nanaovana tetika hamonoana an'i Jesôsy sy ny tantaran'ilay vehivavy nandraraka menaka manitra sarobidy teo amin'ny lohan'i Jesôsy.

Tsy nambaran'i Marka hoe iza ilay vehivavy. Ny fanomezana mahatalanjona nomeny an'i Jesôsy dia mifanipaka amin'ny fitak'i Jodasy izay namadika ny Tompony. Tsy fantatra anarana ilay vehivavy, fa i Jodasy kosa fantatra ho isan'ireo Roa arnbin'ny folo lahy. Voalaza ny tombam-bidin'ny fanomezana natolotr'ilay vehivavy, fa ny hany voalaza ny amin'i Jodasy kosa dia ny fikajikajiany ny vola mety ho azony.

Tsy voalaza mazava koa ny antony nanesika ity vehivavy ity hanao ilay fihetsika, saingy tohina ny vahiny niara-nisakafo teo noho ny nataony, izay noheveriny fa fandaniam-poana saika ny karaman'ny olona herintaona. Niditra an-tsehatra niaro azy anefa i Jesôsy, ary nilaza fa ho tafiditra ao anatin'ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo izao ny nataon'ity vehivavy ity ho fahatsiarovana azy.

Tsy hay hadinoina koa anefa ny famadihana nataon'i Jodasy. Hita taratra amin'ny fitantaranl Marka fa olona tia vola izy. Milaza izany mazava kosa ny filazantsaran'i Jaona (Jao. 12:4-6).

Manao tsilalaon-teny momba ireo teny hoe "soa" sy "tsara" i Marka mba hanehoany fa misy antony roa samy hafa manentana ny olona hanao zavatra, ao amin'ireo tantara ireo. Antsoin'i Jesôsy hoe asa "soa" ny fihetsik'ilay vehivavy ao amin'ny Mar. 14:6. Nolazain'i Jesôsy fa azo atao, na oviana na oviana, ny manao "soa" amin'ireo mahantra izay eo mandrakariva (Mar. 14:7), ary ao amin'ny Mar. 14:9 dia lazainy fa anisan'ny filazantsara ny asa nataon'ilay vehivavy. Voalaza ao amin'ny Mar. 14:11 koa fa nitady izay fotoana "mety tsara" hamadihana an'i Jesôsy i Jodasy (DIEM). Maneho izany tsilalaon-teny izany fa ny drafitr'olombelona entina hamonoana ny Mesia dia manjary ampahany amin'ny tantaran'ny filazantsara ihany raha ny marina satria miafara amin'ny fahatanterahan'ny sitrapon'Andriamanitra, dia ny fanolorany ny Zanany ho famonjena ny taranak'olombelona.

Manampy antsika hahatakatra izay mitranga eto ny voalazan'ny Rôm. 8:28; amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal