Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TSY HAY HADINOINA

Daty
Alahady 08 September 2024

Vakio ny Mar. 14:1-11. Inona ireo tantara roa voalaza eto, ary inona no ifandraisany?

 Voalaza ao amin'ny Mar. 1 fa roa andro sisa dia ho tonga ny Paska. Na ny alin'ny Talata, na ny Alarobia tao anatin'io herinandro io ny fivoriana eto. Nanao kajikajy nandamina fotoana ireo mpitondra fivavahana. Ny fomba hanatrarana ny tanjony sisa no notadiaviny. Tsy nampoiziny ny nahitany izany fomba izany.

Ity ampahan-tSoratra Masina ity no "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahadimy ao amin'ny Marka (jereo ny lesona 3). Ampifandraisina eto ny tantaran'ny nanaovana tetika hamonoana an'i Jesôsy sy ny tantaran'ilay vehivavy nandraraka menaka manitra sarobidy teo amin'ny lohan'i Jesôsy.

Tsy nambaran'i Marka hoe iza ilay vehivavy. Ny fanomezana mahatalanjona nomeny an'i Jesôsy dia mifanipaka amin'ny fitak'i Jodasy izay namadika ny Tompony. Tsy fantatra anarana ilay vehivavy, fa i Jodasy kosa fantatra ho isan'ireo Roa arnbin'ny folo lahy. Voalaza ny tombam-bidin'ny fanomezana natolotr'ilay vehivavy, fa ny hany voalaza ny amin'i Jodasy kosa dia ny fikajikajiany ny vola mety ho azony.

Tsy voalaza mazava koa ny antony nanesika ity vehivavy ity hanao ilay fihetsika, saingy tohina ny vahiny niara-nisakafo teo noho ny nataony, izay noheveriny fa fandaniam-poana saika ny karaman'ny olona herintaona. Niditra an-tsehatra niaro azy anefa i Jesôsy, ary nilaza fa ho tafiditra ao anatin'ny fitoriana ny filazantsara amin'izao tontolo izao ny nataon'ity vehivavy ity ho fahatsiarovana azy.

Tsy hay hadinoina koa anefa ny famadihana nataon'i Jodasy. Hita taratra amin'ny fitantaranl Marka fa olona tia vola izy. Milaza izany mazava kosa ny filazantsaran'i Jaona (Jao. 12:4-6).

Manao tsilalaon-teny momba ireo teny hoe "soa" sy "tsara" i Marka mba hanehoany fa misy antony roa samy hafa manentana ny olona hanao zavatra, ao amin'ireo tantara ireo. Antsoin'i Jesôsy hoe asa "soa" ny fihetsik'ilay vehivavy ao amin'ny Mar. 14:6. Nolazain'i Jesôsy fa azo atao, na oviana na oviana, ny manao "soa" amin'ireo mahantra izay eo mandrakariva (Mar. 14:7), ary ao amin'ny Mar. 14:9 dia lazainy fa anisan'ny filazantsara ny asa nataon'ilay vehivavy. Voalaza ao amin'ny Mar. 14:11 koa fa nitady izay fotoana "mety tsara" hamadihana an'i Jesôsy i Jodasy (DIEM). Maneho izany tsilalaon-teny izany fa ny drafitr'olombelona entina hamonoana ny Mesia dia manjary ampahany amin'ny tantaran'ny filazantsara ihany raha ny marina satria miafara amin'ny fahatanterahan'ny sitrapon'Andriamanitra, dia ny fanolorany ny Zanany ho famonjena ny taranak'olombelona.

Manampy antsika hahatakatra izay mitranga eto ny voalazan'ny Rôm. 8:28; amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal