Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VOARON'NY TENY

Daty
Talata 16 April 2024

Ampitahao ny Jao. 17:15-17 sy ny Asa. 20:32. Inona ny fanazavana omen'i Jesôsy sy i Paoly apostôly antsika momba ny fiarovana amin'ny famitahan'i Satana?

Fanambarana tsy mety diso ny sitrapon'Andriamanitra ny Baiboly. Maneho ny drafitry ny lanitra ho famonjena ny olombelona izany. Ny "soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra" mantsy dia "mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana" - 2 Tim. 3:16 . Izany hoe "ny Soratra Masina rehetra" dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra fa tsy ny ampahany fotsiny, na koa misy ampahany sasany ambony noho ny ampahany hafa. Tsy maintsy hekena ho Tenin'Andriamanitra ny Baiboly manontolo. Raha tsy izany dia hivoha midanadana ny varavarana hidiran'ny famitahana.

Ny Baiboly dia manambara mazava ny fitiavan'Andriamanitra tsy misy fetra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe. Mampiharihary ireo laingan'i Satana izany ary manambara ny famitahany. Halan'ny devoly ny Tenin'Andriamanitra ary ataony amin'ny fomba sy fotoana rehetra izay hanafoanana ny heriny.

Inona rahateo moa no ho fantatsika momba ny drafi-panavotana raha tsy misy ny Baiboly? Hatraiza no mety ho fahatakarantsika  momba ny fahaterahana, ny fiainana, ny fampianarana ary ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy ? Raha tsy misy ny Soratra Masina, azontsika atao ve ny hanomboka hahatakatra ny halehiben'ny sorona nataon'i Kristy, ny voninahitry ny fitsanganany tamin'ny maty, ny herin'ny fanelanelanana ataony sy ny fiezinezin'ny fiverenany fanindroany? Ireo fahamarinana lehibe rehetra ireo dia ambara, ampianarina ary asongadina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. lo Tenin'Andriamanitra io irery ihany no tokony ho fenitra farany sy ambony indrindra, hahazoana mahatakatra ny fahamarinana masina rehetra. Noho izany dia tokony hotoherintsika izay mety ho fiezahana rehetra hanambany ny fahefany (fahefan'ny Baiboly) na ny maha-avy amin'Andriamanitra azy, eny, na dia izay milaza ho manam-pitiavana fatratra ny Baiboly aza, kanefa mametraka fisalasalana momba izany, na ankolaka aza. Indrisy fa teolojianina sy kristianina maro no mifantoka loatra amin'ny lafiny maha-olombelona ao amin'ny Soratra Masina, indrindra vokatry ny fisainana môderina, ka tonga tenin'olombelona ny Baiboly raha tokony ho Tenin'Andriamanitra. "Ny Baiboly", hoy izy ireo, "dia nosoratana mpanjaka, mpiandry ondry, mpanjono, mpisorona, mpanao tononkalo sy olona maro hafa, izay niezaka nizara, araka ny fahatakarany azy, ny heviny sy fahazoany ny mikasika an'Andriamanitra tamin'ny androny sy ny toerana nisy azy."

Tena izany tokoa ve? Raha marina izany, nahoana isika izay miaina amin'izao fotoana izao, taonjato faha-21, no hihevitra fatratra ny amin'izay eritreretin'ireo olona ireo, na koa aza, hanao izany eritreriny izany ho fototry ny fanantenantsika ny mandrakizay? 
Tsy tokony hanao izany isika, raha izany no izy.

Vakio ny Sal. 119:105,116,130,133, sy ny 160. Inona ny fanazavana omen'ny mpanao Salamo antsika mikasika ny maha-zava-dehibe ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny drafi-pamonjena? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal