Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Handresy ny fahamarinana

Daty
Alahady 15 September 2024

 "(...) Tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra." - 2 Kôr. 4:2. 

Mofon’aina:
Aoka tsy hamaivamaivanina ireo fahamarinana fototra izay natolotry ny Tompo tamin'ny alalan'ny porofo miendrika fahagagana. Feo manambara ny fahamarinana no tokony ho re, izay manohitra ny fisalasalana (...) alefan' ilay fahavalon'ny fahamarinana. Hisy ny fanavaozana, ary haneho fitomboana ao amin'ny fahasoavana ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahamarinana avy any an-danitra, satria hampahazava sy hanamasina ny fisainan'ny olombelona ny iraky ny lanitra.

 Ny fahamarinana araka izay toetrany tao amin'i Jesôsy, araka izay nitoriany izany (...), dia fahamarinana koa amin'izao androntsika izao, ary azo antoka fa hanavao ny sain'izay mandray azy tahaka ny tamin'ny lasa ihany izany. Hoy i Kristy: "Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza." - Lio. 16:31.

Tsy maintsy   manamboatra ny lalan'i Jehôvah isika eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina (...), ho fanapariahana ny filazantsara ao amin'ny fahadiovany. (...) Amin 'ny alalan'ny fi asana mahatalanj on ' Andriamanitra no hamindrana ny tendrombohitry ny toe-java-tsarotra ka hamarinana izany any an-dranomasina. (...)

Hanao ezaka mba hanehoana ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainana feno filaminana sy ny resaka mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ireo izay mitory ny fahamarinana. Raha manao izany izy ireo dia ho tonga mpiaro maherin'ny fahamarinana sy hampihatra tsara izany araka izay nanomezan'Andriamanitra azy. (...) 
Antso mba handrosoana no atao: "Anaka, mandehana miasa any an-tanimboaloboko anio." Rehefa ankatoavina izany antso izany, dia ho re sy ho takatry ny olona ny hafatra manan-danja ho an'ireo mponina eto an-tany. Ho fantatry ny olona ny fahamarinana. Hihamandroso hatrany ny asa. Toe-javatra maneho ny fitantanan'Andriamanitra no hita sy ho tsapa, amin'ny fitsarana sy amin'ny fitahiana. Handresy ny fahamarinana. -TDG, t. 195. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal