Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Handresy ny fahamarinana

Daty
Alahady 15 September 2024

 "(...) Tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra." - 2 Kôr. 4:2. 

Mofon’aina:
Aoka tsy hamaivamaivanina ireo fahamarinana fototra izay natolotry ny Tompo tamin'ny alalan'ny porofo miendrika fahagagana. Feo manambara ny fahamarinana no tokony ho re, izay manohitra ny fisalasalana (...) alefan' ilay fahavalon'ny fahamarinana. Hisy ny fanavaozana, ary haneho fitomboana ao amin'ny fahasoavana ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahamarinana avy any an-danitra, satria hampahazava sy hanamasina ny fisainan'ny olombelona ny iraky ny lanitra.

 Ny fahamarinana araka izay toetrany tao amin'i Jesôsy, araka izay nitoriany izany (...), dia fahamarinana koa amin'izao androntsika izao, ary azo antoka fa hanavao ny sain'izay mandray azy tahaka ny tamin'ny lasa ihany izany. Hoy i Kristy: "Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza." - Lio. 16:31.

Tsy maintsy   manamboatra ny lalan'i Jehôvah isika eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina (...), ho fanapariahana ny filazantsara ao amin'ny fahadiovany. (...) Amin 'ny alalan'ny fi asana mahatalanj on ' Andriamanitra no hamindrana ny tendrombohitry ny toe-java-tsarotra ka hamarinana izany any an-dranomasina. (...)

Hanao ezaka mba hanehoana ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainana feno filaminana sy ny resaka mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ireo izay mitory ny fahamarinana. Raha manao izany izy ireo dia ho tonga mpiaro maherin'ny fahamarinana sy hampihatra tsara izany araka izay nanomezan'Andriamanitra azy. (...) 
Antso mba handrosoana no atao: "Anaka, mandehana miasa any an-tanimboaloboko anio." Rehefa ankatoavina izany antso izany, dia ho re sy ho takatry ny olona ny hafatra manan-danja ho an'ireo mponina eto an-tany. Ho fantatry ny olona ny fahamarinana. Hihamandroso hatrany ny asa. Toe-javatra maneho ny fitantanan'Andriamanitra no hita sy ho tsapa, amin'ny fitsarana sy amin'ny fitahiana. Handresy ny fahamarinana. -TDG, t. 195. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal