Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana omena mandrakariva 

Daty
Talata 17 September 2024

"Tsara Jehôvah , fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka Aminy." Nah. 1:7. 

Mofon’aina:
Teny fikasana lehibe no ananantsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, raha toa isika mino sy matoky Azy. Tandindomin-doza hitoky amin'ny ezaky ny olombelona mahantra isika ka tsy mametraka ny fitokiantsika amin'Andriamanitra. (...) Rehefa maniraka ny mpiasany hanao asa manokana ho Azy Andriamanitra, dia efa nivoady fa homba azy ireo, raha toa izy miandany Aminy. Hahita zava-tsarotra sy fahakiviana isaky ny indray mandingana kosa izy ireo raha toa misaraka Aminy ka miezaka manao ny asa amin'ny herin'ny tenany. (...)

Fahadalana lehibe indrindra ho antsika ny hihevitra fa izay mety ho fahombiazana dia avy amin'ny herin'ny tenantsika. Arakaraka ny andehanantsika amim-panetren-tena miaraka amin'Andriamanitra no hanehoany ny Tenany amintsika sy hanampiany antsika. Andriamanitra dia tsy mba maniraka ny mpanompony hiasa ho Azy manoloana ny fanoheran'i Satana sy ireo anjely ratsy raha tsy efa manome izany mpanompony izany ny fanampian'ny lanitra. Kely ihany ny fahombiazantsika eo amin'ny asa satria miankina amin'ny ezaka ataon'olombelona isika raha tokony hiantehitra amin'ny fanampiana izay atolotr'Andriamanitra antsika. Tombontsoa ho antsika ny fahatsapana ny fahalemena sy ny tsy fahamendrehantsika, izay mahatonga antsika hitaky ny fanampiana efa nomanin 'Andriamanitra ho antsika. Azontsika raisina ny Teny raha ao anatin'ny fahakiviana isika, ary rehefa tsapantsika ny enta-mavesatra ao amin'ny fanahintsika, dia andeha hilaza hoe: "Tompo ô! Efa nanome teny fikasana Ianao, ary mino ny Teninao aho." 

Aoka isika hianatra hanatona ilay Raintsika any an-danitra tahaka ny fanatonan'ny zaza ny ray aman-dreniny eto an-tany. Hoy Izy: "Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?" - Mat. 6:9-11.

Tokony hitrandraka ny heriny mba hanaovany izay tsara indrindra azony atao ny mpiasan'Andriamanitra tsirairay avy, saingy tsy tokony hitoky amin'izany hery izany izy. Ataovy izay azonao atao rehetra ary avelao Andriamanitra hanao ny ambiny. -TDG, t. 209. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal