Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo tolona atao amim-bavaka 

Daty
Alarobia 25 September 2024

"(...) Aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana." - Heb. 10:22. 

Mofon’aina:
Tsy mety hisy ny vavaka tena izy raha tsy eo ny finoana marina. "Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy" - Heb. 11:6. Ny vavaka sy ny finoana no sandry hamihinan'ny fanahy ny sorok'Ilay Fitiavana tsy hita fetra, sy hamikirany ny tanan'Ilay Hery tsy mety lany. (...). Hery miasa ny finoana. Ny finoana vao teraka ao amin'i Kristy dia asehon'ny fivavahana sy ny fiderana. Fanamaivanana sy fampaherezana ho an'ny fanahy ory ny vavaka. (...) Tokony ho tsapantsika ny tsy fahampiantsika. Tokony ho noana sy hangetaheta ny fiainana ao amin'i Kristy sy amin'ny alalany isika. Amin'izay no hanatonantsika Azy amin'ny fanetren-tena sy amin'ny fo tokoa, dia homeny antsika ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy. (...)

Nanolotra ny Ainy an-tsitrapo i Kristy ary nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra tamim-pifaliana. "(...) Nanaiky hatramin 'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin 'ny hazo fijaliana" Izy (Fil. 2:8). Eo anatrehan'ny zavatra rehetra nataony, moa ve tokony ho mafy loatra amintsika ny mandà tena? Moa ve isika hitakemotra ka tsy handray anj ara amin'ny fijalian' i Kristy? (...)

Tokony hanenika ny fontsika ny fankasitrahana sy ny fitiavana eo am-pisaintsainana izay nataony ho antsika, ary tokony handositra ny fitiavan-tena sy ny fahotana rehetra isika. Inona ny adidy holavin'ny fo tsy hotanterahina eo ambany hery miasa manginan'ny fitiavan'Andriamanitra sy i Kristy? (...)

Andeha isika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny fankatoavana mandà tena sy mahafoy tena. Mitarika ho amin'ny fankatoavana an-tsitrapo sy am-pifaliana mandrakariva ny finoana an' i Kristy. Maty mba hanavotra antsika amin'ny faharatsiana rehetra Izy, mba hanadiovana vahoaka iray manokana ho Azy, izay mazoto amin'ny asa tsara. Tokony ho tonga lafatra ny fanaovantsika ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fisainana sy ny teny ary ny asa. Ireo izay nanadio ny fanahiny tamin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana ihany no hahazo ny lanitra. - TDG, t. 315. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal