Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fampianaran'ny Tompo

Daty
Sabotsy 28 September 2024

"Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina." - Isa. 8:20.

Mofon’aina:
Ny fampianaran'ny Tompo, izay voalaza mazava ao amin'ny Teniny, no tokony ho fitsipi-piainantsika. (...). NyBaiboly irery ihany no tokony ho mpitari-dalana antsika. Tsy maintsy manaraka sy mankatà ny fitsipiky ny lanitra izay mitondra fiainana isika, fa tsy ny fironan'ny fontsika. Ny fahendren'Andriamanitra sy ny heriny, izay miasa amin'ny fo izay mandray, no mampirindra ny fisainana sy ny toetra hifanaraka amin'ny lalàna sy ny fitsipiky ny lanitra. Ny tsirairay no tokony handray ny fitarihan'ny Fanahy Masina, mba hahafahana mampita amin'izao tontolo izao ny fahamarinana. (...)

Asaina mampaneno fanairana ho an'ny olona isika. Tsy tokony hatory ny mpiambina ankehitriny. Tsy maintsy miambina amim-pivavahana izy ireo, mba hananany fahazavan-tsaina manoloana ny andraikiny eo anatrehan'Ilay tonga teto amin'ny tontolontsika, na dia Lahitokan'Andriamanitra aza, mba hitaona ny lehilahy sy ny vehivavy hiala amin'ny fitarihan'i Satana.

Asaina manoro lalana sy mitarika ny fanahy maro isika mba hibanjinan'izy ireo ny ohatra nasehon'i Kristy ka hahatsapany ny andraikiny manoloana Azy, satria Azy izy ireo noho ny namoronany sy nanavotany azy. Azy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra eto amin'izao tontolo izao. (...) Raha manaiky ho tonga zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra amin'ny fankatoavana an-tsitrapo ny olombelona lavo, dia ho tonga iray amin'i Kristy izy ireo. Efa novidin'ny Mpamonjy izy ireo tamin'ny nanolorany ny Ainy hanonerana ny famaizana noho ny ota. (...) Ireo izay niova fo marina no haneho ny fahasoavan'i Kristy izay mahavonjy amin'ny fiasana ho an'ireo fanahy nohajambain'i Satana. Eo amin'ny fiainan'izy ireo no tokony hanehoan'ny mpiasan'Andriamanitra ny herin'ny fahamarinana. Tsy ho ela izao tontolo izao dia hampamoahin'Ilay Mpanome ny lalàna noho ny amin'ny lalàny izay nodikaina. Ireo izay miala amin'ny fandikan-dalàna ho amin'ny fankatoavana ihany no afaka hanantena famelan-keloka. 

Tokony hasandratsika ny faneva misy soratra hoe: "Ny didin' Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy." (...) Tokony hanao ny ezaka hanairana ny mambran'ny fiangonana sy ireo rehetra mitonona ho Kristianina isika, mba hahitan'izy ireo sy hankatoavany ny fitakian'ny lalàn'ny lanitra. (...) Asaina mamoha ireo latsaka ao amin'ny torimasom-panahy isika. - TDG, t. 355.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal