Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaraka ny dian-tongotr’i Jesôsy

Daty
Alatsinainy 30 September 2024

"Koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray - samy araka izay fahaizany avy." - Mat. 25:15. 

Mofon’aina:
Halalino ny torolalan'ny Mat. 25:14-46. Ampitahao amin'ny tantaram-piainanao izany. Aoka hamela ny fizahozahoany ny olona rehetra. (...) Andeha isika hanaraka ny dian-tongotr'i Kristy ao amin'ny fanetren-tenan'ny finoana marina. Andeha havela ny fitokiana amin'ny tena ka hanolo-tena isan'andro sy isan'ora amin'ny Mpamonjy isika, dia handray fahasoavana hatrany sy hizara izany. Mitalaho amin'ireo mitonona ho mpino an'i Kristy aho mba handeha amim-panetren-tena eo anatrehan'Andriamanitra. Fahavetavetana ho Azy ny avonavona sy ny fanandratan-tena. Hoy i Kristy: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy." - Mat. 16:24. Ireo izay mankato izany teny izany ihany no ekeny ho mpino. "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak 'Andriamanitra." - Jao. 1:12,13.

 "Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika" - and. 14. (...) Niala teo amin'ny toerana ambony nisy Azy ilay Andrianan'ny lanitra; (...) napetrany ny fitafiana sy ny satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy, ka nosaronany ny maha-olona ny maha-Andriamanitra, mba hahatongavany ho Mpampianatra (...) ny sarangan' olona rehetra sy hiainany fiainana tsy misy fitiavan-tena na fahotana (...), ka hanehoany ohatra izay azon'izy ireo tahafina amin'ny alalan'ny fahasoavany.

"Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray" - and. 14. Derao Andriamanitra noho izany fanambarana mahatalanjona izany! Toy ny lehibe loatra ka tsy ho takatsika ny fahamarinana asehon'izany (...). Deraiko Andriamanitra noho ny fahitako ny Mpamonjy amin'ny alalan'ny finoana. (...) Ny hany fanantenana ho antsika amin'izao fiainana izao dia ny fanatsorantsika ny tanan'ny finoana ka hamikirantsika ilay sandry izay mitsotra mba hanavotra. (...) Raha manala ny fijerintsika amin'ny tena mba hijery an'i Jesôsy isika, ka hanao Azy ho mpitarika antsika, dia ho hitan'izao tontolo izao eo amin'ny fiangonantsika ny hery izay tsy hitany ankehitriny. - TDG, t. 373.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal