Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampisy firaisam-po ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alarobia 09 October 2024

"Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana." - Efes. 4:2.

Mofon’aina:   
Andriamanitra dia fitiavana. Toetra mampiavaka ny mpino tsirairay ny fitiavana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Zanaka. Ny tenin'Andriamanitra no fantsona ikorianan'ny fitiavan'Andriamanitra ho amin'ny olona. (...) Omena ny olombelona manaiky hiara-miasa amin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Manova ny fisainana sy ny toetra izany, mahatonga ny olona hahay hiaritra, toy ny mahita Azy Izay tsy hita. Tsy tanteraka ny fitiavana raha tsy inoana ny fahamarinana, ary raisina ny Fanahy Masina. (...)
Nivavaka i Kristy mba ho tsapan'ny mpianany ny lanjan'ny fitiavana nasehony tamin'ny namoizany ny ainy ho an'izao tontolo izao. (...) Raha takatr'izy ireo mazava kokoa ny fitiavany feno fahafoizan-tena dia tsy ho nisy fisaraham-bazana na adilahy teo amin' izy ireo.

Miantso izay rehetra milaza ny tenany ho mino ny fahamarinana ankehitriny aho mba hiaina amin'izany fahamarinana izany. (...) Ho hitan'izao tontolo izao fa ny fitiavana asehon'ny mpino no foto-kevi-dehibe mifehy ireo mpanara-dia an'i Kristy. Mampisy firaisam-po ny fitiavan'i Kristy. Mampifanatona ny olombelona ny fahamarinana. (...) Notendren'i Kristy hitombo sy hihahery amin'ny alalan'ny firaisan-tsaina sy ny fiaraha-miasa ireo izay mino Azy. Ireo izay miasa ho an'Andriamanitra amin'ny fomba feno fiheverana ny hafa dia manamarina eo anatrehan'izao tontolo izao fa naniraka ny Zanany teto amin'ity tany ity tokoa Andriamanitra.

Na tsy mitovy aza ny talentan'ireo Kristianina mandrafitra ny fiangonana dia adidin'ny tsirairay kosa ny miasa. Samy hafa ny talenta, kanefa samy nomena asa hataony ny tsirairay. Samy miankina amin'i Kristy izy rehetra. Izy no Loha be voninahitra mampiray ny olona rehetra, na inona na inona toerana tanany eo amin'ny fiarahamonina, na inona na inona sarangany, amin'ny alalan'ny finoana ny Tenin'Andriamanitra. (...) Tokony hisaintsaina ny fitiavany ireo mpanara-dia Azy. Tokony handroso hatrany amin'ny fanatrarana ny fenitra napetraka eo anoloany izy ireo. Raha iainana ny foto-kevitra kristianina dia hahatonga firindrana sy fiadanana tanteraka manerana izao tontolo izao. —UL, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal