Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampisy firaisam-po ny fitiavan'i Kristy

Daty
Alarobia 09 October 2024

"Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana." - Efes. 4:2.

Mofon’aina:   
Andriamanitra dia fitiavana. Toetra mampiavaka ny mpino tsirairay ny fitiavana avy amin'Andriamanitra Ray sy ny Zanaka. Ny tenin'Andriamanitra no fantsona ikorianan'ny fitiavan'Andriamanitra ho amin'ny olona. (...) Omena ny olombelona manaiky hiara-miasa amin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Manova ny fisainana sy ny toetra izany, mahatonga ny olona hahay hiaritra, toy ny mahita Azy Izay tsy hita. Tsy tanteraka ny fitiavana raha tsy inoana ny fahamarinana, ary raisina ny Fanahy Masina. (...)
Nivavaka i Kristy mba ho tsapan'ny mpianany ny lanjan'ny fitiavana nasehony tamin'ny namoizany ny ainy ho an'izao tontolo izao. (...) Raha takatr'izy ireo mazava kokoa ny fitiavany feno fahafoizan-tena dia tsy ho nisy fisaraham-bazana na adilahy teo amin' izy ireo.

Miantso izay rehetra milaza ny tenany ho mino ny fahamarinana ankehitriny aho mba hiaina amin'izany fahamarinana izany. (...) Ho hitan'izao tontolo izao fa ny fitiavana asehon'ny mpino no foto-kevi-dehibe mifehy ireo mpanara-dia an'i Kristy. Mampisy firaisam-po ny fitiavan'i Kristy. Mampifanatona ny olombelona ny fahamarinana. (...) Notendren'i Kristy hitombo sy hihahery amin'ny alalan'ny firaisan-tsaina sy ny fiaraha-miasa ireo izay mino Azy. Ireo izay miasa ho an'Andriamanitra amin'ny fomba feno fiheverana ny hafa dia manamarina eo anatrehan'izao tontolo izao fa naniraka ny Zanany teto amin'ity tany ity tokoa Andriamanitra.

Na tsy mitovy aza ny talentan'ireo Kristianina mandrafitra ny fiangonana dia adidin'ny tsirairay kosa ny miasa. Samy hafa ny talenta, kanefa samy nomena asa hataony ny tsirairay. Samy miankina amin'i Kristy izy rehetra. Izy no Loha be voninahitra mampiray ny olona rehetra, na inona na inona toerana tanany eo amin'ny fiarahamonina, na inona na inona sarangany, amin'ny alalan'ny finoana ny Tenin'Andriamanitra. (...) Tokony hisaintsaina ny fitiavany ireo mpanara-dia Azy. Tokony handroso hatrany amin'ny fanatrarana ny fenitra napetraka eo anoloany izy ireo. Raha iainana ny foto-kevitra kristianina dia hahatonga firindrana sy fiadanana tanteraka manerana izao tontolo izao. —UL, t. 104. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal