Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Zavatra izay tsy fantatrao

Daty
Alakamisy 10 October 2024

 "Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao." — Jer. 33:3.

Mofon’aina:    
Tsy azontsika an-tsaina fa ny fanamasinana izay irintsika   fatratra sy itolomantsika amim-bavaka dia tanteraka amin'ny alalan'ny fahamarinana sy ny fitondran' Andriamanitra, amin'ny fomba izay tsy ampoizintsika indrindra. Raha mitady fifaliana isika, indro tonga ny alahelo. Raha manantena fiadanana isika, dia matetika manjary miahiahy sy be fisalasalana satria tojo zava-tsarotra izay tsy azontsika ialana. Ao anatin'ireny zava-tsarotra ireny no misy ny valim-bavaka andrasantsika. Tsy maintsy arehitra amintsika ny afon'ny fahoriana mba hahatonga antsika ho voadio, ary tsy maintsy ampifanarahana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapontsika. (...) Mety hahatonga alahelo sy fitsapana lehibe indrindra amintsika ireo malalan'ny fontsika eto an-tany. (...) Mety ho diso hevitra momba antsika izy ireny ka mahita fa mamitaka isika ary mitotongana ny fiainantsika satria manaraka ny feon'ny fieritreretana nohazavain'ny Fanahy Masina isika, ka mikatsaka ny fahamarinana toy ny harena nafenina. (...)

Mety handalo fitsapana sy fizahan-toetra isika satria hitan'Andriamanitra fa mahasoa antsika indrindra ny hampandalovina fanitsiana, vao afaka mandray ny fitahiana katsahintsika fatratra isika. Aoka tsy ho kivy isika na ho resin'ny fisalasalana ka hihevitra fa tsy nohenoina ny vavatsika. (...) Tsy nanome toky Andriamanitra fa handrotsaka fitahiana amintsika amin'ny alalan'ny fantsona izay nofidintsika. Hendry loatra Izy ka tsy hanao fahadisoana, ary mihevitra izay mahasoa antsika loatra Izy ka tsy hamela antsika hisafidy araka izay saim-pantatsika.

Ny drafitr'Andriamanitra hatrany no tsara indrindra, na dia tsy voatery ho takatry ny saintsika mandrakariva aza izany. Aniin'ny alalan'ny asa mafy sy ny tolona ary ny fandavan-tena ihany no mety hahazoana ny fahatanterahan-toetra kristianina. (...)

Sarobidy tsy hay tombanana tokoa ny fanomezan'Andriamanitra — ny fahasoavan'ny Fanahiny — aoka tsy hihemotra isika na mangirifiry sy mampietry antsika toy inona aza ny fisedrana sy ny fizahan-toetra. Ho mora tokoa ny lalana mankany an-danitra raha tsy misy fandavan-tena sy hazo fijaliana! Hirohotra ho any ireo olona araka izao tontolo izao sy ny mpihatsaravelatsihy! Misaora an'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana sy ny fandavan-tena. Tsy hampaninona ireo izay novonjena sy navotana tamin'ny rany ny miaritra ireo fahoriana sy fahafaham-baraka niaretan'ny Mpamonjintsika. — UL, t. 109. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal