Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA - Ny zak’ondrin’Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 21 October 2024

Mesia hanafaka azy ireo amin'i Rôma no nandrandrain'ny firenena hebreo. Ny tanjon'i Jaona ao amin'ny filazantsarany dia ny hanova ny fomba fihevitry ny olona momba ny Mesia mba hahazoany mahafantatra ny fahatanterahan'ny faminaniana mikasika Ilay Mpanjaka ho avy, ao amin'i Jesôsy . Tsy ho mpanapaka eto an- tany ny Mesia. Tonga hanatanteraka ireo teny fikasana rehetra ao amin'ny TT mikasika ny Tenany Izy, ao anatin'izany ny fanaovana sorona ny Tenany ho an'izao tontolo izao, ary koa hanavao ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany.

Vakio ny Jao. 1:29-37. Inona ny fanambarana nataon' i Jaona mpanao batisa momba an'i Jesôsy? Inona ny sary ampiasainy anoritsoritana Azy, ary nahoana no zava-dehibe tokoa izany hahatakarana ny maha-Izy an' i Jesôsy sy ny asa nanirahana Azy?

Manohana ny tanjon'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Jaona mpanao batisa an'i Jesôsy ho Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra, mba hananan'ny olona fomba fijery vaovao momba ny asa sy ny toetoetry ny Mesia. I Jesôsy tokoa no ho fahatanterahan'ny teny fikasana ao amin'ny rafi-pisoronana, Ilay mpanavotra nampanantenaina, araka ny teny fikasana nomena voalohany ao amin'ny Gen. 3:15.

"Tamin'ny batisan'i Jesôsy, raha nanondro Azy amin'ny naha-Zanak' ondrin'Andriamanitra Azy i Jaona, dia nisy fahazavana vaovao izay nitosaka teo amin'ny asan'ny Mesia. Notarihina teo amin'ny tenin'Isaia ny sain'ny mpaminany dia ilay manao hoe: 'Tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina'- IFM, t. 96 (ed. 2023).

Vakio ny Mar. 10:45, Rôm. 5:6, sy ny 1 Pet. 2:24. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny asan'i Jesôsy amin'ny maha-Zanak'ondrin'Andriamanitra Azy?

Na dia nilain'i Jaona mpanao batisa aza ny nianatra misimisy kokoa momba ny asan'i Jesôsy, dia azony antoka tokoa fa i Jesôsy no ilay Mesia nampanantenaina, Ilay tonga hahatanteraka ny faminaniana.

Saintsaino lalina ny amin'llay fiantsoana an'i Jesôsy hoe "Zanak'ondrin'Andriamanitra". Inona ny sary asehon'izany ao an-tsaintsika? Misy ifandraisany amin'ny rafi-pisoronana ao amin'ny T T io fiantsoana io. Ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny halehiben'ny vidin'ny nanavotana antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal