Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifona ho anao i Kristy 

Daty
Alatsinainy 14 October 2024

"Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona." - Heb. 8:1,2. 

Mofon’aina:
Tsy hain'ny maso ara-nofo velively ny mibanjina ny fahatsaran’i Kristy. Ny Fanahy Masina Izay manazava ny ati-fanahy irery ihany - ka mampiharihary ny tsy fananan'ny fanahy fanantenana na hery raha tsy misy ny famindrampo sy ny famelan-keloka avy amin'Ilay mpitondra ny otantsika, Ilay ampy ho antsika — no afaka mampahita ny olona ny famindrampony mandrakizay, sy ny fitiavany tsy misy fetra, ary ny fahatsarany sy ny voninahiny.

Tsy mbola nisy velively nahatanteraka iraka lehibe toy ny Mpamonjintsika teto an-tany, nomban'ny fahasoavana, fiantrana tsy misy fetra, fitiavana tsy hay lazaina; ary tsy nisy olona koa natao toy izay nanaovana Azy teo an-tanan'ny olona lavo. "Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an 'Andriamanitra amin 'ny tenanareo." — 1 Kôr. 6:19,20. (...) I Kristy irery no Olona tsy manan-tsiny niaritra fahoriana, fahafaham-baraka sy henatra, ary fandavana noho ny amintsika. (...)

Koa ahoana no tokony ho fitondran-tenantsika — izay tonga olom-baovao ao amin'i Kristy Jesôsy sy novonjena tamin'ny alalan'ny fahamendrehany eo anatrehan'ny lanitra manontolo? Himonomonona ve isika? Hifampiam-panga? Tsy toetra malemy fanahy sy milefitra ve no mety kokoa? (Mat. 11:29,30). (...) 

Raha mba hitan'ny rehetra mantsy i Kristy eo anoloan'ny seza fiandrianana, miandry ny vavaka ataontsika, miandry antsika hampilefitra ny sitrapontsika, hampitsahatra ny fikomiantsika sy hiverina ho amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra, dia ho amim-pibebahana manao ahoana no hivavahantsika amin'ny Ray mba hamelany ny helotsika noho ny fandikantsika ny lalàny, sy noho ny hery miasa mangina ratsy avy amintsika, izay nahatonga ny hafa hanao tsinontsinona ny lalàn'i Jehôvah! Mihoby ny tafiky ny fahavalo noho ny fangatahantsika andro. (...) Izao anio izao, hanaiky ho mpiara-miasa amin'i Kristy ve isika, Izay mifona ho antsika manokana eo anatrehan'ny Ray? Mbola hazonin'ny anjely tsy hihatra ny fandringanana satria mihevitra fatratra ny amin'ireo zanaka mpikomy izy ireo, te hamerina azy ho ao am-bala (...), mba ho mpandresy sy voavonjy mandrakizay miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra any an-danitra izy ireo. — UL, t. 155. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal