Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manaja ny fitsipika

Daty
Zoma 18 October 2024

"Endrey ny fitiavako ny lalànao, fisaintsainako mandrakariva izany." - Sal. 119:97. 

Mofon’aina:
Aoka ireo izay manaja ny fitsipika, toy ny hoe tsy misy na nona na inona mety hampiala azy amin' izany, hahazo antoka fa takany tsara ireo fitsipika ambara ao amin'ny Baiboly mba hitarihan-dalana antsika. Misy ireo izay manaraka fitsipika diso. Tsy araka ny tokony ho izy ny fisainany momba ny fitsipika. Ny fitandremana amim-pahatokiana ny didy efatra voalohany sy ny didy enina farany no atao hoe manaraka ny fitsipika marina. Ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra ireo no atao hoe mihinana ny nofon'i Kristy sy misotro ny rany (...). Homba izay rehetra mandray Azy ho Mpamonjiny i Kristy. Homeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra izy ireo. (...) 

Ny Zanak'Andriamanitra no lazaina hoe "Teny" ao amin'ny Jao. 1:14, Ilay Kômandy tany an-danitra nefa tonga teto amin'izao tontolo izao hanambara ny zava-panahy amin'ny olombelona lavo. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. (...) Rehefa tonga nofo Izy dia nanjary sady Andriamanitra no olombelona, ary izany no mahatonga Azy ho afaka manavotra tanteraka ny taranak'olombelona sy mamerina azy ireo ho amin'ny tombon-tsoan'ilay fiainana ambony kokoa.

Tahaka ny olombelona no nanombohany ny fiainany teto an-tany; teraka toy ny zazakely tsy afa-manoatra Izy. Nanana fiainana tahaka ny olombelona rehetra Izy, izay handray ny fanomezan-tsarobidy avy amin'Andriamariitra ho an'izao tontolo izao, dia ny Zanany nirahiny hanatanteraka ny drafi-panavotana.

Nizaka ny sazin'ny ota i Kristy, niharan’ny fitsaran' Andriamanitra, mba tsy ho very ny olombelona. Ny tenany no nampiharana ny didim-pitsarana tokony ho an'ny mpanota. Izany no siansan'ny famonjena, izay azo halalinina tsara sady mahasoa ny fiezahana hahatakatra izany. (...)

 Hotsaraina araka ny fandavany ny fahazavana ireo izay manohy mandika ny lalàna. Mifidy hiandany amin'ny mpanjakan'ny fahamaizinana izy ireo, ka manjary tanany ankavanana (...). Mandà ilay fahazavana mahagaga avy any an-danitra izy ireo, ary na mety hitory fahamarinana aza izy ka miresaka ny amin'ny "fanarahana fitsipika", dia tsipahiny ny fitsipiky ny lanitra feno fahamendrehana, ary ampianariny hanaraka izany fitsipika diso izany koa ny hafa. — UL, t. 196. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal