Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vonona hanome hery antsika i Kristy

Daty
Talata 22 October 2024

"Ary hianareo dia tanteraka ao Aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra. " - Kôl. 2:10. 

Mofon’aina:
Tsy maintsy miaina eo ambany tara-pahazavana mitosaka sy   mafanan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana isika. Tsy misy afa-tsy ny fitiavany be fangorahana sy ny fahasoavany ary ny heriny tsitoha no ahafahantsika miady amin' ilay fahavalo tsy mifaditrovana sy mampilefitra ny fon'ny olombelona be fanoherana. Inona no herintsika? Ny fifaliana ao amin'ny Tompo. Aoka hameno ny fontsika ny afo mandevon'ny fitiavan'i Kristy, dia halemy fanahy sy handefitra isika, ho vonona handray ny hery izay nomaniny ho antsika.

Aoka hisaotra an'Andriamanitra isan'andro isika noho ireo fitahiana izay antsika. Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra ny olombelona, ka mahatsapa fa tsy mety tokoa ny mikolokolo toe-tsaina miavona tsy mila fanampiana, ary mahita fa tsy manan-kery na kely aza izy hanao ny asa tokony hatao ho fanadiovana ny fanahiny, ka tsy mihevi-tena ho marina velively, dia hataon'i Kristy tombo-kavatsa eo amin'ny fanahiny ny endriny (endrik'i Kristy). (...)

Tsy mba hataon'i Kristy tsirambina ny asa apetraka eo an-tanany. Hataony tsapan'ny mpianany mahafatra-po ny faharatsiana sy ny fahalotoan'ny fony noho ny fahotana, ary ny fahasimban'ny fo izay iasany. Izay mibebaka marina dia mahafantatra fa tsy misy ilana azy ny fanandratan-tena. Rehefa mampitaha ny fahalemen'ny tenany amin'ny toetra tonga lafatry ny Mpamonjy izy dia hiteny hoe: tsy manan-java-tsoa azo atolotra aho, fa ny hazo fijalianao no amikirako.

 Hilaza toa an'i Isaia izy hoe: "Jehôvah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao; fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao." — Isa. 26:12,13.

Izay mikatsaka ny fahamarinana ka mibanjina an'i Kristy mba ho tonga tahaka Azy dia mahita ny fahatanterahan'nylalàn'Andriamanitra, ary manjary tsy afa-po na amin'inona na amin'inona afa-tsy amin'ny fahatanterahana ihany. Afeniny ao amin'ny fiainan'i Kristy ny fiainany ka hitany fa miseho eo amin'ny toetran'i Kristy ny fahamasinan'ny lalana, koa ampitomboiny hatrany ny ezaka mba ho tahaka Azy. Aoka hivonona hiady amin'ny fotoana rehetra satria hitan'ilay mpaka fanahy fa very ny iray amin'ny olony. UL, t. 238. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal