Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny lanitra : fitsaharana ho an'ny Kristianina

Daty
Sabotsy 26 October 2024

 "Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesôsy Kristy." - Tit. 2:13. 

Mofon’aina:
Tsy ho ela dia hiverina fanindroany i Kristy. Tokony hataontsika ambentin-dresaka izany, sy hifantohan'ny saintsika indrindra. Ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe Izy, ary hahita Azy ny maso rehetra. Hanaraka Azy ny anjely masina rehetra. Toy izao no nosoratan'i Jaona momba izany: "Ary nahita aho sady nandre feon’anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan’aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo" — Apôk. 5:11.

Tsy mbola naneno ny trompetra, ary ireo nidina tany am-pasana tsy mbola niantsoantso hoe: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? " — 1 Kôr. 15:55. (...) Saingy efa akaiky ny fotoana hahatanterahan'ireto tenin'ny apôstôly Paoly ireto: "Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany." 1 Tes. 4:16-18.

Tsy maintsy ovana isika mba ho tahaka ny Mpamonjy (jereo ny Fil. 3:20,21). Izao no fotoana anehoantsika eo amin'ny fiainantsika isan'andro ireo toetra tsaran'ny fiainan'i Kristy. Tsy manam-potoana holanina foana isika. (...) Tsy maintsy manao ny asan'i Kristy isika, miambina sy mivavaka tsy mitsahatra, dia ho vonona ho amin'ny fisehoany, ho voaomana handray ny fiainana mandrakizay. (...)

Ity tany ity no toerana fiomanana ho any an-danitra. Vanim-potoan'ny ririnina no andalovantsika eto. Mitsoka amintsika eto ny rivotra mamanalan'ny fahoriana, ary miantonta amintsika ny onjan'ny ady sarotra. Kanefa tsy ho ela, rehefa hiverina i Kristy, dia ho tapitra hatreo ny fisentoana. Tonga ny lohataonan'ny Kristianina. (...) "Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha." — Apôk. 21:4. — UL, t. 311. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal