Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hazavaina ho amin'ny famirapiratana tanteraka 

Daty
Alatsinainy 11 November 2024

"Aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany." - Hôs. 6:3 


Momon’aina:
Velona eo anivon' ireo lozamiseho amin'ny andro farany isika ka tokony hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ary hanao ny akanjom-pahamarinan'i Kristy. (...) Tokony hitondra ny amintsika hilefitra amin'i Kristy isika, ny tenantsika, ny fanahintsika ary ny toe-tsaintsika. Raha tsy manao izany isika dia hotandindomin-doza ny fahasalaman'ny tenantsika sy ny fanahintsika.

Irin'Andriamanitra ny hahazoan'ny mpiasany isan'andro fahatakarana ny fomba fisainana ara-lôjika izay mampifandrayny anton-j avatra am in' ny vokany, ka hahatonga azy ho tonga amin'ny fehin-kevitra feno fahendrena sy azo antoka. (...) Aoka isika hipetraka eo an-tongotr'i Kristy tahaka ny zaza madinika, ka hianatra Aminy ny fomba fiasa mampahomby. Aoka isika hangataka amin'Andriamanitra mba homeny fahaiza-mandanjalanja amim-pahendrena, ary koa fahazavana mba hozaraina amin'ny hafa. Ilaina ny fahalalana vokatry ny fanandramana. Tsy tokony hamela ny andro iray handalo fotsiny isika ka tsy hahazo fahalalana fanampiny mahakasika ny zavatry ny tany sy ny zava-panahy. (...)

Ny fifaranan'ny andro tsirairay dia tokony ho dingana iray hampanakaiky amin'ny valisoan'ny mpandresy. (...) Rehefa mijery an'i Jesôsy isan'andro isika fa tsy izay zava-bitantsika, dia hanao dingam-pandrosoana eo amin'ny fahalalana eto an-tany sy ara-panahy.

Efa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra. Tsy tokony hahatonga antsika hiato amin'ny asa ny zavatra efa vitantsika. Hoy Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika: "Mandrosoa. Avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." (...) Tokony ho eo ambanin'ny herin'i Kristy mandrakariva ny fiainantsika, ary tokony havela hirehitra sy hazava ny fanalantsika.

Fitaovana hahazoana fahombiazana izay nomen'ny lanitra antsika ny vavaka. (...) Ny hery izay azo ho setrin'ny fivavahana no hahatonga ny olona ho hendry araka ny fahendren'ny lanitra, ary izany no hahafahany hiasa ao amin'ny firaisana amin'ny Fanahy, izay akamban'ny fatoram-pihavanana. (...)

Izaymametrakanytenany eo amin'ny toerana hahafahan'Andriamanitra manazava azy dia mandroso, toy ny miasa ao amin'ny hazavana somambisambin'ny maraina ho amin'ny famirapiratana fenon'ny mitataovovonana. - RC, t. 159. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal