Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Iray tahaka ny firaisan'i Kristy amin'ny Ray.

Daty
Sabotsy 16 November 2024

 "Ary tsy ho eo amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao,Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika." - Jao. 17:11

Mofon’aina:

Aiza no hahitantsika ny fahadiovana, sy ny fahatsaran-toetra ary ny fahamasinana izay hiantoka ny fiarovana antsika? Aiza no misy valan'ondry tsy azon'ny amboadia hidirana? (...) Manana tena voalamina izay hataony fitaovana hiasana ny Tompo. Mety mihoatra noho ny roapolo ny Jodasy eo amin'izy ireo; mety misy Petera izay handà ny Tompony rehefa tonga ny fizahan-toetra; mety ho ao koa ireo tahaka an'i Jaona ilay tian'i Jesôsy izay manana hafanam-po mety hanimba ny fiainan'ny hafa amin'ny fiantsoana afo avy any an-danitra ho famaliana azy ireo noho ny fitenenany ratsy an'i Kristy sy ny fahamarinana. Kanefa ilay Mpampianatra lehibe dia mitady ny fomba hanomezana lesona (...) ho fanitsiana ireo faharatsiana ireo. Tahaka izany koa no ataony amin'ny fiangonany ankehitriny. (...)

Asehony azy ireo fa mampidi-doza ny fitiavan-tena sy ny avonavona ary ny fanandratan-tena rehetra, ny tsy finoana sy ny hevitra mibahana mialoha rehetra, izay mitarika ho amin'ny fanoherana ny fahamarinana sy fialana amin'ilay tena fahazavana, ary raha tsy ibebahana ireny dia ho tavela ao amin'ny haizina tahaka ny firenena jiosy tamin'izany andro izany ny olona izay mankamamy azy. Aoka ny fanahy tsirairay amin'izao andro izao hikatsaka izay hahazoan'i Kristy valim-bavaka. Aoka ny fanahy tsirairay avy hamerina ao an-tsainy izany vavaka izany, (...) mba ho iray tahaka ny maha-iray an'i Kristy sy ny Ray ny rehetra (...). Aoka izy ireo tsy hampitodika ny fitaovam-piadiana ho ao amin'ny laharana misy antsika fa hampitodika izany kosa amin'ireo fahavalon'Andriamanitra sy ny fahavalon'ny fahamarinana. (...) 

Tsy maintsy vohana hidiran'ny Fanahy Masina ny varavaran'ny fo. (...) Vakio ny vavaka nataon'i Kristy ho amin'ny firaisantsika (Jao. 17:11). Tsy ho an'ireo mpianatra ankehitriny ihany izany vavak'i Kristy izany, fa ho an'ireo rehetra mino Azy amin'ny alalan'ny tenin'ireo mpianany, eny hatramin'ny faran'izao tontolo izao (...). - RC, t. 199.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal