Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manan-kery miezinezina ny fiderana.

Daty
Talata 19 November 2024

"Ary tamin 'izany izay natahotra an 'i Jehôvah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehôvah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an 'i Jehôvah sy mihevitra ny anarany." - Mal. 3:16 

Mofon’aina:
Omena ny Kristianina ny fifaliana amin'ny fandraisana ny taratry ny fahazavana mandrakizay avy eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitra, ary ny fampitana ny taratr'ireny eo amin'ny lalany sy eo amin'ny lalan'ireo mifandray aminy koa. Amin'ny fanaovana teny feno fanantenana sy fampaherezana, (...), no hanampiany ireo manodidina azy ho tsaratsara kokoa sy hanandratany azy ary hampitodihany azy ho amin'ny lanitra sy ny voninahitra. Amin'izany koa no hitarihany azy ireo hikatsaka ny lanitra mihoatra noho ny zavatry ny tany, dia ilay lova tsy mety lo sy harena tsy mety simba.

"Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo" hoy ny apôstôly Paoly (...). Na aiza na aiza no alehantsika dia tokony hitondra rivo-piainan'ny fifaliana sy fanantenana kristianina isika; amin'izany no ahitan'ireo tsy Kristianina fa manintona ny fivavahana torintsika (...).

(...) Amin'ny maha-Kristianina antsika, dia anarina isika tsy hahafoy ny fiaraha-mivavaka, mba ho famelombelomana antsika, ary hizara ny fampaherezana izay noraisintsika avy amin'izany. (...)Aoka hasehontsika amin'ny endrika sy ny toetrantsika ary ny tenintsika sy ny fombantsika fa tsara ny manompo an'Andriamanitra. Amin'izany no hitoriantsika fa "tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehôvah, mamelombelona ny fanahy." - Sal. 19:7. 

Tokony ho fotoana hisian'ny fifanampiana sy fifampaherezana ny fotoam-bavaka sy ny fivoriana ataontsika. Fomba iray tsara indrindra ahafahana manao izany ny fananana fanandramana vaovao isan'andro mikasika ny zava-panahy (...). 

Raha misaintsaina sy miresaka bebe kokoa momba an'i Jesôsy isika fa tsy momba ny tenantsika, dia tokony hahatsapa bebe kokoa ny Fanatrehany. Raha mitoetra ao Aminy isika dia ho feno fiadanana sy finoana ary herim-po ary hanana fanandramana tsara hozaraina isika rehefa manatrika ny fivoriam-bavaka, mba hahazoan'ny hafa famelombelomana avy amin'ny fijoroana ho vavolombelona Ireny teny midera ny voninahitry ny Fahasoavany ireny, rehefa tohanan'ny fiainana tahaka izay niainan'i Kristy, dia manana hery tsy hay tohaina, izay miasa ho famonjem-panahy. - RC, t. 220. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA -
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal