Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manan-kery miezinezina ny fiderana.

Daty
Talata 19 November 2024

"Ary tamin 'izany izay natahotra an 'i Jehôvah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehôvah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an 'i Jehôvah sy mihevitra ny anarany." - Mal. 3:16 

Mofon’aina:
Omena ny Kristianina ny fifaliana amin'ny fandraisana ny taratry ny fahazavana mandrakizay avy eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahitra, ary ny fampitana ny taratr'ireny eo amin'ny lalany sy eo amin'ny lalan'ireo mifandray aminy koa. Amin'ny fanaovana teny feno fanantenana sy fampaherezana, (...), no hanampiany ireo manodidina azy ho tsaratsara kokoa sy hanandratany azy ary hampitodihany azy ho amin'ny lanitra sy ny voninahitra. Amin'izany koa no hitarihany azy ireo hikatsaka ny lanitra mihoatra noho ny zavatry ny tany, dia ilay lova tsy mety lo sy harena tsy mety simba.

"Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo" hoy ny apôstôly Paoly (...). Na aiza na aiza no alehantsika dia tokony hitondra rivo-piainan'ny fifaliana sy fanantenana kristianina isika; amin'izany no ahitan'ireo tsy Kristianina fa manintona ny fivavahana torintsika (...).

(...) Amin'ny maha-Kristianina antsika, dia anarina isika tsy hahafoy ny fiaraha-mivavaka, mba ho famelombelomana antsika, ary hizara ny fampaherezana izay noraisintsika avy amin'izany. (...)Aoka hasehontsika amin'ny endrika sy ny toetrantsika ary ny tenintsika sy ny fombantsika fa tsara ny manompo an'Andriamanitra. Amin'izany no hitoriantsika fa "tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehôvah, mamelombelona ny fanahy." - Sal. 19:7. 

Tokony ho fotoana hisian'ny fifanampiana sy fifampaherezana ny fotoam-bavaka sy ny fivoriana ataontsika. Fomba iray tsara indrindra ahafahana manao izany ny fananana fanandramana vaovao isan'andro mikasika ny zava-panahy (...). 

Raha misaintsaina sy miresaka bebe kokoa momba an'i Jesôsy isika fa tsy momba ny tenantsika, dia tokony hahatsapa bebe kokoa ny Fanatrehany. Raha mitoetra ao Aminy isika dia ho feno fiadanana sy finoana ary herim-po ary hanana fanandramana tsara hozaraina isika rehefa manatrika ny fivoriam-bavaka, mba hahazoan'ny hafa famelombelomana avy amin'ny fijoroana ho vavolombelona Ireny teny midera ny voninahitry ny Fahasoavany ireny, rehefa tohanan'ny fiainana tahaka izay niainan'i Kristy, dia manana hery tsy hay tohaina, izay miasa ho famonjem-panahy. - RC, t. 220. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal