Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asehony antsika ny fomba fiaina tsara

Daty
Talata 26 November 2024

 "Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesôsy Kristy eo amiko, (...) ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay." - 1 Tim. 1:16 

Mofon’aina:
Mpampianatra Izy [Jesôsy], Fanabeazana izay tsy mbola hitan'izao tontolo izao na reny hatrizay no nentiny. Niteny tahaka izay manam-pahefana Izy kanefa nanintona ny fitokian'ny rehetra. (...)

Namela ohatra iray tokony halaintsika tahaka ny Zanaka Lahitokan'ilay Andriamanitra tsy manam-piafarana, tamin'ny Teniny, sy ny môdely azo ampiharina nasehony. Nampianariny hankatò an'Andriamanitra tamin'ny Teniny isika, ary ny fampiharana nataony no nanehoany tamintsika ny fomba tokony hankatoavantsika an'Andriamanitra. Izany indrindra no asa tiany hataon'ny olombelona: ny hankatò an'Andriamanitra amin'ny saina, ary ny hampianatra ny hafa amin'ny fampianarana sy ny ohatra ny zavatra tsy maintsy ataon'izy ireo mba hahatonga azy ho zanaka mpankatò an'Andriamanitra. 

Nanampy an' izao tontolo rehetra izao hahatakatra ny asa sy ny irak'Andriamanitra i Jesôsy. Tonga Izy mba haneho ny toetran'ny Ray amin'ity tontolontsika ity, ary rehefa mandinika ny Fiainany sy ny teny nataony ary ny asany isika dia mahazo fanabeazana momba ny fankatoavana an'Andriamanitra (…). Isika olombelona no mpiasa natao haneho ny toetran'i Jesôsy Kristy amin'izao tontolo izao. 

Tonga teto amin'ny tontolontsika ilay Mpampianatra lehibe mba hitarika ny olombelona. Tamin'izany no nanandratany sy nanamasinany ny taranak'olombelona, tamin'ny alalan'ny Fankatoavana masina nasehony teo anatrehan' ireo fitakian'Andriamanitra rehetra. Nasehony fa azo atao ny mankatò ireo didin'Andriamanitra rehetra. Nasehony koa fa azo atao ny mankatò mandritra ny fiainana manontolo. (...)

Tao Aminy no nahitana ny fenitra tonga lafatra. Ny haneho izany fenitra izany ho hany idealy tokony hotratrarina, ny haneho ny toerana tokony hisy ny olombelona rehetra (fa izay mandray Azy dia ho tonga fahasoavana noho ny nahatongavan'Andriamanitra ho nofo) - izany no antony nahatongavan'i Kristy teto amin'ity tany ity. Tonga Izy mba haneho ny fomba tokony hanofanana ny olona, hahatonga azy ireo ho mendrika ny maha-zanak'Andriamanitra azy; nasehony fa tokony hampihatra ireo fitsipika sy hiaina ny fiainan'ny lanitra izy ireo eto an-tany. - RC, t. 298. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal