Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana mandrakizay no itiavany antsika

Daty
Alakamisy 31 October 2024

 "Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin'ny famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy." - Efes. 2:4,5.

Mofin’aina:    
Ny fo manaiky ny fifehezan'Andriamanitra feno fahendrena dia hatoky ny fomba fitantanany rehetra (...). Ho avy hanakivy ny fakam-panahy, kanefa inona ny soa azo raha milefitra amin'ireny fakam-panahy ireny? Mahazo tombony ve ny fanahy amin'ny fimonomononana amin' Ilay hany loharanon'ny heriny? Mamikitra tsara ve ny vatofantsika? Ho tafajoro ao anatin'ny aretina ve? (...) Mamikitra mafy ny vatofantsika! Fantatro fa velona ny Mpanavotra Ahy. (...)

Ry Jesôsy be fitiavana, be fahari-po sy mpamindra fo ô, mankalaza Anao ny fanahiko! Fa afaka mijoro eo anatrehan'Andriamanitra masina, tanteraka ao amin'ny fahamarinan'i Kristy, Ilay Mpisolo sy Mpiantoka, ny fanahy mahantra sy tsy mendrika ary maloton'ny fahotana! Mitalanjòna ry lanitra, migaga ry tany, fa tiany ny mpanota (...). Mifaly sy mihira noho ny amin'izy ireo Izy, ary ny olona maloton'ny fahotana, rehefa avy nodiovina tamin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy, dia entina eo anatrehan'ny Ray, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany intsony (Efes. 5:27). "Iza no hiampanga ny olom-boafidin 'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy." —Rôm. 8:33.

Aoka ny fanahy tsirairay osa sy ahozongozon'ny tafiotra hamikitra amin'i Kristy ka tsy hifantoka amin'ny tenany, mba tsy ho kivin'ny fahadisoam-panantenana madinidinika na ny faharavan'ny fikasany. Tsy mahaliana fatratra ve ny drafi-panavotana? (...) Naneho ny fitiavany ny olona Andriamanitra tamin'ny namoizany ny ainy ho azy! Melohin'ny lalàna ny mpanota ary entiny ho eo amin' i Kristy. Ary Andriamanitra no manamarina sy mamela ny helony.

Hiampanga antsika i Satana ary hitady fahazoan-dalana handringana antsika, saingy manokatra varavarana hidirana ao amin'ny fialofana Andriamanitra. Koa raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Oh! Fahamarinana be voninahitra re izany! (...) Nahoana no tsy mitory ny fitiavan'i Kristy tsy manam-paharoa izay rehetra mino? (...)

Velona sy manjaka i Kristy. Tsy maintsy mitolona amin-kerim-po tahaka ny miaramilan'i Kristy izay rehetra novonjena; dia ho voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra toy ny mpanompo mahatoky sy marina ny anaran'izy ireo. — UL, t. 377. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal