Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho fantatr'izao tontolo izao

Daty
Alatsinainy 09 December 2024

  "Mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao." - Fil. 2:15. 

Mofon’aina:
Tanjon' Andriamanitra ny haneho ny fitsipiky ny fanjakany amin'ny alalan'ny olony.(...) Tian'Andriamanitra ny hanasaraka azy ireo amin'ny fomba amam-panao ary ny fahazaran'izao tontolo izao. Tokony hiseho eo imason'izao tontolo izao ny toetran'Andriamanitra rehefa mandinika ny fahatsarana sy ny famindram-po, ny fahamarinana ary ny fitiavan'Andriamanitra hita eo amin'ny fiangonany izy ireo. Ary (...) na izao tontolo izao aza dia hanaiky ny fahambonian'ireo izay tia sy matahotra ary manompo an'Andriamanitra, mihoatra noho ny olona hafa rehetra eto ambonin'ny tany.

Tokony ho ohatra amin'ny fahamasinana mihoatra noho ny olona rehetra ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito (...). Amin'ny olombelona rehetra dia izy ireo no nanankinana ireo fahamarinana lehibe indrindra. Nomena azy mitafotafo ny fahasoavana sy ny hery ary ny fahombiazana. Miandry ny fiverenan'i Kristy tsy ho ela eny amin'ny rahon'ny lanitra izy ireo. Ho azy ireo dia fanalam-baraka an'Andriamanitra ny famelana izao tontolo izao hihevitra fa tsy hery manjaka eo amin'ny fiainany ny finoana.

Feno loza ho an'ny zanak'Andriamanitra izao andro iainantsika izao noho ny fitomboan'ny herin'ny fakam-panahy alefan'i Satana. Koa mila mianatra mandrakariva amin'ilay Mpampianatra lehibe isika mba handrosoantsika amim-pitokiana sy amim-pahamarinana (...). Tranga lehibe tokoa no miandry antsika; ary tokony hijoro ho vavolombelona amin'ny alalan'ny fiainany (...) ireo izay milaza fa olon'Andriamanitra, mba hahitan'izao tontolo izao fa amin'izao andro anjakan'ny faharatsiana izao, dia mbola misy olona izay (...) mikatsaka kosa hanao ny sitrapon'Andriamanitra, olona izay manana ny lalàn'Andriamanitra voasoratra ao am-pony sy eo amin'ny fiainany.

Tokony hadio ny fisainany, ary ho mendrika sy hanandratra ny fiteniny, hisarika ireo manodidina azy hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Tsy maintsy ho toy ny voatenona amin'izay rehetra lazainy sy ataony ny fivavahan'i Kristy. Tokony ho vahoaka voatokana, madio, ary masina izy ireo, ka hampita ny fahazavana amin'izay rehetra mifanerasera aminy. S itrapon'ny Tompo ny hahatonga azy ireo ho fiderana ny Anarany eto ambonin'ny tany amin'ny fanehoany ny fahamarinana eo amin'ny fiainany. Ampy hahatanteraka izany ny fahasoavan'i Kristy. — Ma, t. 113  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal