Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana fikororohana

Daty
Alahady 15 December 2024

"Ary noho ny haben'ny tsi-fankatoavan-dalana dia hihamangatsiaka ny fitiavan 'ny maro." - Mat. 24:12.

Mofon’aina:
Rnaha vantany vao voaisy tombokase eo amin'ny handriny y vahoakan'Andriamanitra — tsy tombokase na marika izay mety ho hitan'ny maso tsy akory izany, fa fiorenana amin'ny fahamarinana, amin'ny saina sy amin'ny fanahy, ka dia tsy voahozongozona izy ireo —raha vantany vao voaisy tombokase sy voaomana ho amin'ny fikororohana ny vahoakan'Andriamanitra, dia ho tonga izany. Sady efa nanomboka rahateo izany. Efa tonga ankehitriny ny fitsaran'Andriamanitra, mba hampitandrina antsika, mba hahafantarantsika ny zavatra hiseho tsy ho ela. 

Ho tonga faingana ny fotoana izay hisian'ny savorovoro sy fahaverezan-kevitra lehibe. Miseho ho toy ny anjelin'ny mazava i Satana, mamitaka ireo olom-boafidy raha azony atao. Hisy tompo sy andriamanitra maro. Hitsoka avokoa izao karazana rivo-pampianarana rehetra izao. ( ...) 

 Hasaina horaisintsika ny mariky ny bibidia. Ireo izay nilefitra tsikelikely tamin'ireo fitakian'ny fiainan' izao tontolo izao ka nifanaraka tamin'ny fanaon'izao tontolo izao, dia hahita fa tsy zavatra sarotra aminy ny hilefitra amin'ireo fahefana izay misy, toy izay ny hamela ny tenany hesoina, hitenenan-dratsy, sy horahonana na hogadraina, ary hovonoina. Ny momba ny didin'Andriamanitra sy ny didin'olombelona no tena anton'ny fifanandrinana. (...) Ny tena toe-panahy araka an'Andriamanitra marina dia hiavaka mazava amin'ny fiseho ivelany sy ny forongony. (...) Ny akofa dia hoentin'ny rivotra tahaka ny rahona, eny, na dia eo amin'ny toerana tsy ahitantsika afa-tsy voam-bary aza. Izay rehetra nianina tamin'ny toe-panahy tsara araka ny fiseho ety ivelany fotsiny, fa tsy nitafy ny fahamarinan'i Kristy dia hiseho amin'ny henatry ny fitanj ah any.

 Kanefa hisy ireo izay handray ny fahamarinana, ka ireo no haka ny toerana banga navelan' ireo izay nitakemotra ka niala tamin'ny fahamarinana. (...)

Handray ny toerany ireo izay manana ny fitsipi-piainana kristianina marina, ka hanjary loham-pianakaviana mahatoky sy mendri-pitokiana, izay miaro ny tenin ' Andriamanitra sy maneho azy araka ny tena heviny marina sy amin'ny fahatsorany. Hiasa Andriamanitra ka hisaraka amin'ireo olona marina sy mahatoky ireo mpikomy (...). Tsy hihena tsy akory ny isan'ireo mpiandany amin'ny Tompo. Hameno ny toeran'ireo tafintohina sy mihemotra ny olona marina sy mijoro tsara. — Ma, t. 200 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal