Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pahoriana tsy misy toa azy

Daty
Zoma 20 December 2024

"Ary amin'izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao; ary hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany; ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky." - Dan. 12:1.

Mofon’aina:

Rehefa hifarana ny hafatry ny anjely fahatelo, dia hitsahatra tsy hanao fifonana ho an'ny olo-meloka ety an-tany intsony ny famindrampon’Andriamanitra. Efa vitan'ny vahoakan'Andriamanitra ny asany. Efa nandray ny "ranonorana farany" izy, dia ny "andro famelom-belomana avy amin'ny fanatrehan 'ny Tompo", ka vonona hiatrika ny andro fizahan-toetra manoloana azy izy. Hivezivezy haingana mampitohy ny lanitra sy ny tany ny anjely. Hisy anjely avy ety an-tany hilaza fa vita ny asany; efa nampiharina tamin'izao tontolo izao ny fisedrana farany, ary izay rehetra hita fa nahatoky tamin'ny didin'Andriamanitra dia efa nandray ny "tombokasen'Andriamanitra velona". (...) Hanandratra ny tanany Izy sady hiteny amin'ny feo mahery hoe: "Vita" (...)

Rehefa mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina Izy, dia hisy haizina hanarona ny mponina eto an-tany. Mandritra io fotoana mampangorohoro io, dia tsy maintsy hivelona eo imason'Andriamanitra masina tsy misy mpanelanelana ny marina. Efa nesorina ny fefy nisakanana ny ratsy fanahy. Ary hanampatra ny fahefany amin'ny olona nikomy tsy nety hibebaka hatramin'ny farany i Satana. Mifarana ny faharipon'Andriamanitra. Nitsipaka ny famindrampony izao tontolo izao, nanamavo ny fitiavany sy nanitsakitsaka ny lalany. Nihoatra ny fetran'ny fahasoavana ny ratsy fanahy; efa niala ny Fanahin'Andriamanitra, izay nikirizana hotoherina. Tsy manana ny fahasoavan'Andriamanitra ho fialofana izy ireo, ka tsy misy miaro azy intsony amin'ilay ratsy. (...) Rehefa hitsahatra tsy hihazona ireo rivotra masiakan'ny filana ambany eo amin'ny olombelona ny anjelin'Andriamanitra, dia hovahana izay rehetra mahatonga ny ady. Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin'i Jerosalema fahiny ny tany manontolo.

Ireo izay madio tanana sy madio am-po ihany no hahajoro amin'izany andro fizahan-toetra izany. (...) Ankehitriny no fotoana mety, raha mbola mihazona ny rivotra efatry ny lanitra ny anjely, mba hahatonga ny fiantsoana sy ny fifidianana antsika ho azo antoka. - Ma, t. 265

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal