Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Arovan'ny anjely amin'ny androm-pahoriana

Daty
Sabotsy 21 December 2024

 "Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana." - Isa. 26:20.

Mofon’aina:
Amin'ny andron'ny fitsapana mahamay dia hoy i Kristy: "Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana. " Efitrano inona moa izany natao hiafenan'izy ireo izany? Ny fiarovan' i Kristy sy ireo anjely masina izany. Tsy ho tafangona amin'ny toerana iray avokoa tsy akory ny vahoakan'Andriamanitra. Vondrona samy hafa no misy azy ireo, ary any amin'ny faritra samy hafa manerana ny tany. 

Hitako ireo olo-masina mandao ireo tanan-dehibe sy vohitra, ka mitambatambatra ho vondrona, ary mipetraka amin'ny toerana mitoka-monina. Namatsy sakafo sy rano azy ireo ny anjely, fa ny ratsy fanahy kosa nampahorin'ny hanoanana sy ny hetaheta. 

Nisy tranga lehibe manaitra nandalo teo anoloako nandritra ny alina. Toa nisy fisavorovoroana lehibe sy tafika miady. Nijoro teo anatrehako ny iraky ny Tompo anankiray nilaza hoe: "Antsoy ny ankohonanao. Izaho no hitarika anareo, manaraha ahy." Nitondra ahy tamin'ny lalana maizimaizina izy, lalana mamaky ny ala, avy eo teny antsefatsefaky ny tendrombohitra, ary hoy izy: "Eto no toerana azo antoka ho anareo." Nisy olona maro hafa koa notarihina ho eo amin'io fiafenana io. Hoy ilay iraky ny lanitra: "Tonga tahaka ny mpangalatra amin'ny alina ny andro mahory, araka ny efa nampitandreman'ny Tompo anareo." 

Tsy ho afa-mandositra ny fahafatesana ny olo-marina raha tsy avy amin'ny asa fanompoana ataon'ny anjely masina, mandritra ny andro fahoriana izay ho tonga mialoha indrindra ny fiverenan'ny Tompo. Tsy mba hahazo izany fiadanana izany anefa ireo mpandika ny didin'Andriamanitra. (...)

Mbola hiasa amin-kery ho an'ireo izay mandray fanapahan-kevitrahentitra hiandany amin'ny fahamarinana ny Tompo amin'ny andro farany. (...) Amin' ny fanenjehana faran'izay mafy indrindra (...) dia hitoetra tsy ho azo hozongozonina ny olom-boafidy. Tsy hahalevona izay malemy indrindra amin'ireo olo-masina tsy akory i Satana sy ny miaramilany rehetra. Hisy anjely marobe hiaro azy ireo ary hiseho aminy ny Tompo amin'ny maha-"Andriamanitry ny andriamanitra" Azy, afaka hamonjy tanteraka izay rehetra mametraka ny fitokiany Aminy. — Ma, t. 270 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal