Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahery sa osa ara-panahy?

Daty
Zoma 06 December 2024

 « Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo, na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an'Andriamanitra. » 2 Kôr. 7:1.

Mofon’aina:

Mananatra sy manitsy ireo olona izay milaza fa mitandrina ny lalàny Andriamanitra. Tondroiny ny fahotan’izy ireo ary ambarany ny faharatsiany satria iriny ny hanasaraka ny fahotana rehetra sy ny faharatsian-toetra rehetra aminy mba hananan’izy ireo fahamasinana tonga lafatra amin’ny fahatahorana Azy ary ho vonona ny ho faty ao amin’ny Tompo na hafindra any an-danitra (...)

Tsy hanaiky afa-tsy fahadiovana sy fahamasinana Andriamanitra; ny pentina, ny fikentronana, ny fahadisoana ao amin’ny toetra dia hampanalavitra azy ireo mandrakizay amin’ny lanitra miaraka amin’ny voninahiny sy ny hareny rehetra.

Ny ankabeazan’ireo milaza azy ho Kristianina dia tsy mahazo an-tsaina ny hery ara-panahy izay mety ho azon’izy ireo raha toa ka fatra-paniry izany izy ary maharitra mba hahazo ny fahalalana ny zava-panahy, toy ny fahazoany ny zavatra tsizarizary sy mety lo amin'ity fiainana ity. Ireo vahoaka betsaka izay milaza ny tenany ho Kristianina dia mianinaamin’ny toe-panahy saozanina. (…)

Fahafaha-manao maro no efa voaomana ho an’izay rehetra mirotsaka amim-pahatsoram-po sy amim-pahamatorana eo amin’ny asa fanaovana ny fahamasinana ho tonga lafatra ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. (...) Tsy misy olona ambany loatra, feno fitaka ary ratsy ka tsy hahita ao amin’i Jesôsy, izay maty ho azy ireo, hery sy fahadiovana ary fahamarinana. Ho azon’izy ireo izany raha miala amin’ny fahotany sy ny lalan-dratsiny izy ireo, ary mitodika amin’ny fo manontolo any amin’Ilay Andriamanitra velona. Miandry ny hanesorana amin’izy ireo ny fitafiany maloto sy feno fahotana Izy, ka hanafy azy ireo ny akanjo fotsy sy mamiratra avy amin’ny fahamarinana; manolotra fiainana azy ireo Izy fa tsy fahafatesana. Afaka mivelatra ao Aminy izy ireo. Tsy halazo ny rantsany ary hamoa. Afaka manovo rano sy sakafo avy Aminy izy ireo raha mitoetra ao Aminy, ho feno ny Fanahiny, mandeha toy izay nandehanany, mandresy toy izay nandreseny, ary homem-boninahitra eo an-tanany ankavanany. – Ma, t. 53

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal