Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Azo antoka ny fiahian'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 22 January 2024

Vakio ny Sal, 40:1; Sal. 50:15; Sal. 55:22; ary ny Sal. 121. Amin'ny fomba ahoana no Idiran'Andriamanitra amin'ny fiainantsika andavanandro?

Ao amin'ny Soratra Masina dia maneho ny Tenany ho llay Andriamanitra velona miasa ho an'ireo izay miantso Azy i Jehovah. "Eo anatrehako mandrakariva Jehovah" - Sal. 16:8, hoy ny mpanao Salamo. Noho izany dia matoky an'Andriamanitra sy miantso Azy izy (Sal. 7:1; Sal. 9:10). Handre azy ny Tompo na dia avy ao "amin'ny lalina" aza no iantsoany Azy (Sal. 130:1,2); izany hoe, tsy misy afa-miala tsy ho eo ambanin'ny fanapahan'Andriamanitra ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainana. Araka izany, ny antsoantson'ny mpanao Salamo, na antsom-pahoriana toy inona aza izany, dia ombam-panantenana mandrakariva.

Ny Sal. 121 indray dia manasongadina ny herin'Andriamanitra Mpahary eo amin'ny fiainan'ireo mahatoky manokana. Miseho araka izao manaraka izao izany hery izany:

(1) "Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao" - Sal. 121:3. Matetika entina ilazana ny dian'ny olona eo amin'ny fiainany ny hoe "tongotra" (Sal. 66:9; Sal. 119:105; Ohab. 3:23). Ny teny hebreo nilazana ny hoe "tsy (...) hangozohozo" dia manambara ny fiarovana omen'Andriamanitra izao tontolo izao (Sal. 93:1) sy an'i Ziona (Sal. 125:1).

(2) Ny fanehoana an'i Jehovah ho Mpiambina ny Isiraely (DIEM), Izay tsy matory na rendrehana, dia manasongadina ny fahavononan'Andriamanitra mandrakariva hiditra an-tsehatra ho an'ny zanany (Sal. 121:3,4).

(3) Ny hoe "Jehovah no fialofanao"- Sal. 121:5,6 dia mampahatsiahy ny andry rahona tamin'ny andron'ny Fahafahana ao amin'ny Eksôdôsy (Eks. 13:21,22). Toy ny tamin'izany dia manome fialofana ara-bakiteny sy ara-panahy ho an'ny vahoakany ny Tompo.

(4) Eo amin'ny ankavanan'izy ireo Andriamanitra (Sal. 121:5). Ny tanana havanana dia entina anehoana ny tanana matanjaka indrindra, ny tanana miasa (Sal. 74:11; Sal. 89:13). Eto dia manambara ny fahakekezan'Andriamanitra sy ny fanampiany izany (Sal. 16:8; Sal. 109:31; Sal. 110:5).

(5) Hamafisina mazava ao amin'ny Sal. 121:6-8 ny fiarovan'Andriamanitra ny olony. Hiaro ny zanany amin'ny ratsy rehetra Andriamanitra. Na ny "masoandro" na ny "volana" dia tsy hamely azy ireo. Hiaro azy ireo Andriamanitra "na mivoaka na miditra". Ny fiahian'Andriamanitra antsika tsy an-kiato amin'ny lafiny rehetra no asehon'ireo fomba fiteny kanto ireo.

Ahoana no mety hahafahanao mahatsapa kokoa ny maha-zava-misy ny fiahian'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao isan'andro? Ahoana no hahaizanao miara-miasa tsara kokoa amin'Andriamanitra mba hamelanao Azy hiasa ao anatinao sy amin'ny alalanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal