Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Herim-panahy amin'ny alalan'ny vavaka

Daty
Alatsinainy 13 January 2025

 "Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. " - Mar. 1:35.

Mofon’aina:
Tsy nahitana tsy fahombiazana na lesoka ny asa fanompoan' i Jesôsy   satria ny fiainany dia fiainana mahatoky mandrakariva, tohanan'ny fifandraisana tsy tapaka amin' Andriamanitra. Fantatr'i Kristy fa tsy maintsy hatanjahina amin'ny vavaka ny maha-olombelona Azy, eo anatrehan'ny fakam-panahy mamely isan'andro, sy ireo mpitondra fivavahana tsy mitsahatra manohitra Azy. Tsy maintsy miray amin'Andriamanitra Izy, Izay andraisany hery sy faharetana ary fahatanjahana, mba ho tonga fitahiana ho an'ny vahoaka.

Nankamamian'ny Mpamonjy ny nitokana tany an-tendrombohitra mba hifandray amin'ny Rainy. Niasa taurin-kafanam-po nandritra ny andro Izy mba hamonjy ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy amin'ny fandringanana. Nanasitrana ny marary Izy, nampionona ny ory, nanangana ny maty, ary nitondra fanantenana sy fifaliana ho an'ny kivy. Rehefa vita ny asany mandritra ny andro dia miala lavitra ny tabataban'ny tanàna Izy, isan-kariva, ary mandohalika mivavaka amin'ny Rainy. Matetika no nivavaka nandritra ny alina manontolo Izy, kanefa taorian'izany dia nahazo hery sy velombelona, vonona hiatrika ny adidy sy ny fitsapana.

Iharan'ny fakam-panahy sy ny famelezan'i Satana ve ny mpanompon'i Kristy? Izany koa no nanjo Ilay tsy nahalala ota. Nitodika tany amin'ny Rainy Izy tao anatin'ny fotoan-tsarotra. (...) Nivavaka ho an'ny mpianany sy ho an'ny Tenany Izy; toy izany no nampitoviany ny Tenany tamin'ny olombelona. Olona mahery mivavaka Izy. (...)

 Izay miandry an'Andriamanitra amim-panetren-tena sy miandrandra fatratra ny fitarihany sy ny fahasoavany no mpampianatra sy mpitoriteny mahomby indrindra. Miambena, mivavaha, miasà – izany no teny baikon'ny Kristianina. Fiainam-bavaka tsy mitsahatra ny fiainan'ny Kristianina marina. Fantany fa tsy ampy hiatrehana ny fitsapana sy ny ady rahampitso ny fahazavana sy ny hery anio. Ovaovan'i Satana mandrakariva ny fakam-panahy alefany. Hapetraka amin'ny toe-javatra samy hafa isika isan'andro; ary ao anatin'ireo fotoan-tsarotra ho avy Izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay, dia ho voahodidin'ny loza vaovao isika, ary fakam-panahy tsy ampoizintsika no hamelezana antsika. Ny hery sy ny fahasoavana avy any an-danitra ihany no ahazoantsika manantena ny ho afaka hiatrika ny fakam-panahy sy hanatanteraka ny adidy manoloana antsika. — GW, tt. 255-258. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (12)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal