Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikatsaka marina ny fahamarinana

Daty
Sabotsy 18 January 2025

"Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina." — Efes. 1:18. 

Mofon’aina:
Ny fahalalana an'Andriamanitra no loharanon'ny fahalalana sy ny fivelarana marina rehetra. Afa-tsy eo amin'izay harafesenin'ny fahotana ihany, na aiza na aiza andehanantsika na itoerantsika (...) dia efa naseho izany fahalalana izany. Na inona na inona lalam-pandalinana arahintsika, raha miaraka amin'ny faniriana madio hikatsaka ny fahamarinana, dia ho voatarika ho eo amin'ilay tsy hita maso, ilay fahendrena tsitoha izay miasa eo amin'ny zavatra rehetra sy amin'ny alalan'izany isika. (...) Manoatra lavitra noho izay mety ho tratry ny sain'ny olona ny vokatry ny firaisana toy izany eo amin'ny tena sy ny saina ary ny fanahy. (...)

Izao no hafany ho an' ny taranak' olombelona: "Mifankazara amin'ny tsitoha hianao" - Jôba 22:21. Ny fomba fiasa avy amin'ireo teny ireo no nampiharina tamin'ny fanabeazana ilay razamben'ny olombelona. (...)

 Raha avy teo am-pelatanan' Andriamanitra i Adama dia nanam-pitoviana tamin'Ilay Mpanao azy (...). "Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny" — Gen. 1:27, ary fikasany ny hanehoan'izy ireo ny voninahitr 'Ilay Mpahary sy izany endrika izany amin'ny fahafenoany kokoa hatrany, araka ny halavan'ny andro iainany. Nanana fahafahana mivoatra avokoa ireo fahaiza-manaony rehetra (...). Midadasika tokoa ny sehatra nahazoan'izy ireo nampiasa ny heriny sy ny fahaizany, be voninahitra ny saha nomena hanaovany fikarohana. Ireo zava-miafin'ny tontolo hita maso - "ny fahagagana avon'llay tanteraka amin'ny fahalalana" - Jôba 37:16, dia nanintona ny olona handalina izany. (…)

Noho ny tsy fankatoavany anefa dia tsy nomena izany. Nitotongana ny fitoviana amin'Andriamanitra noho ny fahotana, zary levona mihitsy aza izany. Nihanalemy ny hery ara-batan'ny olombelona, nihena ny hery ara-tsaina, ary nanjavona ny fahiratana ara-panahy. (...) Na izany aza anefa dia tsy navela tsy hanana fanantenana ny taranak'olombelona. Tamin'ny alalan' ilay fitiavana sy ny famindram-po tsy misy fetra no nanaovana ny drafi-pamonjena, ka nanomezana ny androm-pahasoavana. Mba hamerenana indray ilay endriky ny Mpamorona izay very eo amin'ny olombelona (...) dia notanterahina ity drafitra avy any an-danitra ity. Izany no tsy maintsy ho asan'ny fanavotana sy tanjon'ny fanabeazana ary antony lehibe eo amin'ny fiainana. — Fk, 8-10. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal