Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra, fahefana faratampony

Daty
Talata 04 February 2025

"Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehôvah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehôvah ? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. " - 1 Sam. 15:22.

Mofon’aina:
Natao hankatoavina tsy misy adihevitra ny tenin'ny Tompo; izany no tokony ho fahefana faratampony eo amin'ny fiainantsika. Ninia tsy nanaraka ny baikon'ny Tompo mazava i Saoly, ary niezaka nampitony ny feon'ny fieritreretany tamin'ny nandreseny lahatra ny tenany fa heken'Andriamanitra ny fanatiny ka tsy hotsarovana ny tsy fankatoavany. Rehefa tonga nihaona taminy i Samoela mpaminany dia niseho ho toy ny olo-marina i Saoly ka nanao hoe: "Hotahin’i Jehôvah anie hianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehôvah aho." —1 Sam. 15:13. (...)

 "Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman-osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko? Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehôvah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay ihany avokoa." "Fa hoy Samoela: Sitrak 'i Jehôvah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’i Jehôvah ? (...) Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’i Jehôvah hianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa." - 1 Sam. 15:14,15; 22,23.

Tokony ho fahefana faratampony ny Tenin'Andriamanitra. Hoy ny Tompo: "Ny fanekeko tsy hotsoahako, ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako." — Sal. 89:38. Tsy afaka manova ny lalàny na dia kely monja aza Andriamanitra, raha tsy izany dia tsy ho faratampony intsony Izy. Tsy afaka mamolaka ny lalàn'Andriamanitra hifanaraka amin'ny heviny ny olona (...). Diso aoriana loatra vao ho fantatry ny olona fa tsy afaka mitsara ny tenin'Andriamanitra izy, fa ny tenin'Andriamanitra no hitsara azy. (...) Izay manohitra an'Andriamanitra dia hahita fa efa nandao ilay hany làlana mitondra ho amin'ny fahamasinana sy ny fahasambarana ary ny lanitra izy ireo. — ST, 9 Janoary 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal