Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò tanteraka toa an'i Kristy 

Daty
Sabotsy 08 February 2025

"Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan 'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. " - Rôm. 5:19.

Mofon’aina:
Very hasina ny saha Edena noho ny tsy fankatoavan'i Adama; saingy tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.

Nahazo tombontsoa izao tontolo izao noho ny fanatrehan'ny Olona iray izay nankatà tanteraka — dia olona izay tsy vitan'ny nino sy nampianatra ny fanambaran'ny lalàn'Andriamanitra fotsiny, fa niaina araka izany lalàna izany koa. Fanehoana ireo foto-keviny masina ny fiainany manontolo. Hita mazava tamin'ny fahoriana lehibe niaretany tao amin'ny saha Getsemane ny fankatoavany; ary tamin'ny alalan'ny fijaliany no nizarany famelan-keloka ho an' ireo tsy mpankatò.

Hoy i Kristy raha nilaza tamin'ny mpianany ireo fepetra ahazoana famonjena: "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. " Lalana diavin'izay rehetra maniry hanaraka an'i Jesôsy ny fandavan-tena sy ny hazo fijaliana. Hisy hanakantsakana isaky ny indray mandingana ny fandrosoantsika ho any an-danitra; hampiasa fomba maro isan-karazany mantsy i Satana hamerezana sy hamitahana antsika, ary asehony amintsika amin'ny endriny toa tsara ny fahotana.

Manasa anao aho (...) handinika tsara ny fandavan-tena sy ny nanaovan'i Kristy sorona ny Tenany ho anao mba hahazoanao misitraka, raha tianao, ilay fifaliana sy fiadanana izay Izy irery ihany no afaka manome anao izany eto an-tany, ary koa ilay fiainam-pahasambarana mandrakizay. Tsy ho tianao ve ny ho tonga misiôneran'i Kristy? Tsy ho vonona handà tena ho Azy ve ianao? Tsy hisaina ny amin' izay tokony hataonao ho Azy ve ianao, dia Izy izay namonjy anao ka nanavotra ny fanahinao tsy handevozin'ny fahotana sy i Satana? Hoy i Kristy fony izy teto an-tany: "Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. " — Lio. 22:27d. Tsy mba niady hahazo ny toerana ambony Izy, fa nalemy fanahy sady tsy niavona am-po. Manasa anao hianatra Aminy Izy, hitondra ny ziogany — dia ny ziogan'ny fankatoavana ny fitsipik'i Jehôvah rehetra. — YI, 1 Avrily 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal