Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, ohatry ny fankatoavana marina

Daty
Alatsinainy 10 February 2025

"Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an'iza na ho an'iza, dia mpanompon'izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin'ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin'ny fahamarinana?" Rôm. 6:16.

Mofon’aina: 
Tsy niato mba handinika ny vokatry ny tsy fankatoavany i Adama. (...) Manana tombontsoa isika aty aoriana, afaka mahita marina ny atao hoe mandika ny didin'Andriamanitra. Nanaiky ho resin'ny fakam-panahy i Adama, ary satria aseho mazava eo anoloantsika ny momba ny fahotana sy ny aterany, dia hitantsika tsara ny antony sy ny vokany, ka fantatsika fa tsy ny habe na ny hakelin'ny zavatra atao no maha-fahotana ny fahotana, fa ny tsy fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra efa nambara, izay azo lazaina ho fandavana an'Andriamanitra sy ny lalàm-panjakany.

Ao amin'ny fankatoavan'ny olona ny lalàn'Andriamanitra no misy ny fahasambarany. Voahodidina fefy sy voaro amin'ny ratsy izy ireo raha manao izany. Tsy mety ho sambatra izy ireo raha miala amin'ny fitakian'Andriamanitra efa voafaritra, ary tsy ho afaka hametraka fitsipika ho an'ny tenany ka tsy hahita loza. Raha izany mantsy dia hisy ny fitsipika isan-karazany natao hahafa-po ny saina samy hafa, ary horombahin'ny olombelona eo am-pelatanan'Andriamanitra ny fifehezana ny fanjakany. Hatsangana ny lalàn'ny "izaho", ka ny sitrapon'ny olombelona no hanjary faratampony. Ary rehefa aseho ny sitrapon'Andriamanitra ambony sy masina mba hankatoavina sy hajaina ary homem-boninahitra, dia izay sitraky ny fon'ny olombelona sy ny heviny ihany no harahiny, ka hifanipaka ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra.

Nanapaka ilay rojo volamena nampiray ny sitrapon'ny olombelona tamin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fahalavoan'ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanjary zavatra tsy voatery atao ny mankatô. Ny fisainana rehetra avy amin'ny fony no narahin'ny olombelona, ka nahatonga an'Andriamanitra niteny momba ireo mponina talohan'ny Safodrano hoe: "ratsy ihany mandritra ny andro". Hoy ny Tompo Jesôsy hoe: "tahaka ny nitandremako ny didin 'ny Raiko." Tamin'ny fomba ahoana? Tamin'ny maha-olombelona Azy. "Inty Aho tonga (...) ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako", hoy Izy. (…)

Namela ohatra mazava tokony hotahafintsika I lay Zanaka lahitokan'Andriamanitra mandrakizay, tamin'ny alalan'ny teniny sy ny oha-piainany. — MR, b. 6, tt. 337-339. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal