Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ankohonana manome voninahitra an'i Kristy

Daty
Alakamisy 13 February 2025

"Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany." - Ohab. 22:6.

Mofon’aina:
Tsy maintsy ampianarina ny ankizy fa manana anjara atao   ao an-tokantrano izy. Omena sakafo izy ireo, ampiakanjoina, tiavina, karakaraina; koa tokony hanao izay hahasambatra ny ankohonana misy azy izy, araka izay azony atao, ho setrin'izany fiahiana azy izany. Toy izany no hahatonga azy ireo ho zanak'Andriamanitra sy misiônera ao an-tokantrano.

Ny fanaovan'ny ray aman-dreny tsirambina ny fanabeazana ny zanany dia tsy fanomezana azy ireo izay ilainy amin'ny famolavolana toetra tsara amin'ny lafiny rehetra. Raha avela manao izay tiany ny ankizy dia hihevitra fa tsy maintsy leferina izay rehetra ataony, tsy maintsy karakaraina izy, tsy maintsy atao ny sitrapony sy izay mahafaly azy. Hoentin'izy ireo eo amin'ny fiainany ara-panahy manontolo ny voka-dratsin'ny fomba nanabeazana azy toy izany tao an-tokantrano. 

Tian’Andriamanitra ho tandindon' ny ankohonan'ny lanitra ny ankohonantsika. Aoka ho -tsaroan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka isan'andro izany, ka hifampitondra toy ny mambran'ny ankohonan'Andriamanitra izy ireo. Ho tonga lesona ho an'izao tontolo izao izy ireo amin'izany, hampiseho ny atao hoe ankohonana tia an'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny. Homem-boninahitra i Kristy; hameno ny tokantrano toy ny hanitra sarobidy ny fiadanany sy ny fahasoavany ary ny fitiavany. Ho fanatitra tsara ho an'Andriamanitra ny fiainan'ireo zanaka Kristianina misiônera. Hahafaly ny fon'i Jesôsy izany, ary raisiny ho toy ny sarobidy indrindra amin'ny fanatitra.

Aoka hiankohofana ao amin'ny ankohonana tsirairay i Jesôsy Kristy Tompo. Raha manabe ny zanany araka ny tokony ho izy ny ray aman-dreny dia ho sambatra hahita ny vokatry ny fitaizana tsara nataony, tamin'ny namolavolany ny toetran-janany ho tahaka ny an' i Kristy. Manao fanompoana lehibe ho an'Andriamanitra tokoa izy ireo amin'ny fanehoany tokantrano milamina sy voafehy tsara eo imason'izao tontolo izao, tokantrano matahotra an'Andriamanitra, kanefa tsy izany ihany fa tokantrano manome voninahitra ny Tompo amin'ny ohatra tsara asehony amin'ny fianakaviana hafa; ary dia handray ny valisoany izy ireo. — RH, 17 Nôvambra 1896.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal