Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Abrahama, ohatry ny fankatoavana.

Daty
Alatsinainy 17 February 2025

"Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao." — Gen. 22:18.

Mofon’aina:
Nohavaozin'Andriamanitra indray tamin' i Abrahama teo amin'ny tendrombohitra Moria, tamin'ny fomba be voninahitra, ny teny fikasana ho an'ny taranany mandritra ny taonjato mifandimby: «Ny tenako no nianianako, hoy Jehôvah : satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina. » (...)

Ny asan'ny finoana izay vao avy nasehon'i Abrahama ho ohatra dia mijoro ho toy ny andry afo, manazava ny dian'ny mpanompon'Andriamanitra rehetra hatramin'ny farany. Nandritra ny telo andro, teny am-pandehanana, dia nanana fotoana ampy izy mba hieritreretana sy hisalasalana na hanao na tsy hanao. (...) Olombelona mora azon'ny fahalemena sy mitovy toetra amintsika ihany izy, kanefa, tsy niahotra izy, na nanontany izay fomba hafa indray hahatanterahana ny teny fikasana, rehefa maty Isaka. Tsy niady hevitra akory tamin'ny fony naratra izy. Natoky izy fa marina izay rehetra notadiavin' Andriamanitra, ka dia nankatò ara-bakiteny izy. (...) 

Raha nanome baiko an'i Abrahama Andriamanitra mba hamono ny zanany, dia tsy ho fizahan-toetra ny finoany fotsiny izany, fa mba hanehoana indrindra koa tamin'ilay patriarka ny tena votoatin'ny Filazantsara. Ireo andro manjombona feno tebiteby sy hororoho izay lalovany, dia nanampy azy hahatakatra, - dia araka izay zavatra tsapan'ny tenany, - ny halehiben'ny fahoriana izay niaretan'Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona. Tsy nisy fizahan-toetra nampangirifiry mafy ny fon'i Abrahama toy ny fangatahana aminy hanolotra ny zanany ho fanatitra. (…)

Porofo lehibe toy inona indray moa no mbola ilaina ho mariky ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra? «Izy Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy nomeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?» - Rôm. 8:32 - PM, tt. 135-137, ed. 2014.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal