Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fikomiana ny tsy fankatoavana

Daty
Alarobia 19 February 2025

"Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra." — Mat. 5:19.

Mofon’aina:
Hoy ny teny: «Fa na iza na iza (...) diso amin'ny iray loha, dia meloka amin'izy rehetra.» - Jak. 2:10.

Tsy ny halehiben'ny tsy fankatoavana vita tsy akory no anaovana azy hoe ota, fa ny tsy fanarahana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny zava-madinika indrindra; satria io no mampiseho fa mbola misy firaisana amin'ny ota ny fanahy. Mirona mankaminy ny fo. Ary izany dia fandavana an-kitsirano an'Andriamanitra, fikomiana amin'ny lalàn'ny fanjakany.

Raha navela hanao izay danin'ny kibony ny olona, ka hihataka amin'ny didin'i Jehôvah, ary hamorona fitsipika ho an'ny tenany, dia hifanipaka toy ny valala an-karona izy ary hesoriny tsy ho mpanapaka azy intsony i Jehôvah. Hanandra-tena izy, ary hanitsakitsaka sy hanala baraka ny sitrapon'Andriamanitra masina sy ambony, dia ny fikasany feno fitiavana ho an' ny olony.(...)

Ny tsy fihontsonany amin'ny lalàn'Andriamanitra dia mampiditra azy ho miaramilan'i  Satana. Tsy amin'ny teny iray na amin'ny teny maro, fa ny teny tsirairay avy nolazain'Andriamanitra no tokony hiveloman'ny olona. Tsy misy teny tokony hataontsika tsirambina, na toy inona na toy inona hakelezany iheverantsika azy, fa mahavoa antsika io. Tsy misy na iray aza amin'ny didy, izay tsy natao ho soa sy hasambarana ho an'ny olona, na eto amin'ity fiainana ity, na any amin'ny fiainana ho avy. Fa izay tsy mitandrina ny lalàn'Andriamanitra, na ilany aiza na ilany aiza, dia mandrava ny fefy tokony hahaaro azy; fa manisy banga hidiran'ny fahavalo izay handrodana sy handringana.

Nataon'ireo razantsika tsirambina ny ilany iray tamin'ny sitrapon' Andriamanitra, ka tonga nanokatra lalana hisesehan'ny fahoriana teto an-tany izany. Ary izay rehetra manaraka ny nataony dia mijinja toy izany koa. Fitiavana no fototry ny lalàn'Andriamanitra rehetra, ary izay miala amin'ny fitandremana azy dia miasa ho amin'ny faharavana. — S, tt. 48,49

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal