Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasambatra ny fankatoavana

Daty
Alakamisy 20 February 2025

 "Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy (...) Fa ny lalàn'i Jehôvah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." - Sal. 1:1,2.

Mofon’aina:
Zava-dehibe indrindra ny hankatoavan'ny olona rehetra ao Amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny lalàn'i Jehôvah, mba hampiorenana tsara ny Voninahiny tsy manam-petra. Ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy dia zahan-toetra eto amin'ity fiainana ity mba hahitana raha toa izy hankatò’an'Andriamanitra na tsia. Mahasambatra ny fankatoavana, ary hiantoka ny valisoan'ny fiainana mandrakizay.

 Vokatra mahatsiravina no nateraky ny tsy fahombiazan'i Adama teo amin-javatra anankiray, ary nitombo ny fahotana ka nanjary tsy azo refesina izany habeny izany. Ao anatin'ny fikomiana sy ny fihemorana anefa, eo anivon'ireo tsy mahatoky sy tsy mety mibebaka ary mafy hatoka, dia mijery ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny Andriamanitra, ary milaza hoe: " Tiako izay tia Ahy," ary hataoko mandova harena maro. (...)

 Nivelona araka ireo fitsipiky ny lalàna ara-môralin'Andriamanitra i Kristy, ary tanterany ireo zava-takin'ny lalàn'Andriamanitra rehetra. Nasehony teo amin'ny fiainany maha-olombelona Azy ny mahatsara ny lalàna. Tokony hambara amin'ny firenena rehetra (...), amin'ireo tontolo tsy lavo, amin'ireo anjely sy ny serafima ary ny kerôbima ny maha-masina sy marina ary tsara ny lalàna. Naseho teo amin'ny toetran'i Jesôsy Kristy ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra, ary izay miara-miasa amin'i Kristy ka tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, dia hampiseho ny toetran'Andriamanitra (...). I Kristy ao am-po no hitondra ny momba izany olona izany manontolo (...) ho amin'ny fankatoavana ny fahamarinana. Hifanaraka amin'ny fisainan'Andriamanitra sy ny sitrapony ary ny toetrany ny tena mpanara-dia marina an'i Kristy. Amin'izany no hampisehoana amin'ny taranak'olombelona ny fitsipiky ny lalàna izay mahataka-davitra. (...)

Nambaran'i Satana fa tsy mahalala na inona na inona momba ny fandavan-tena sy ny famindrampo ary ny fitiavana Andriamanitra fa henjana sy masiaka ary tsy mba mamindra fo. Tsy mba nanandrana ny fitiavan'Andriamanitra izay mamela heloka i Satana noho izy tsy nanatanteraka fibebahana marina. Diso ny fanehoany ny toetran'Andriamanitra; vavolombelona mandainga izy, mpiampanga an' i Kristy ary mpiampanga ireo rehetra manaisotra ny ziogany ka miverina ho amin'ny fahatokiana amin' ilay Andriamanitry ny lanitra. - RH, 9 Marsa 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal