Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò ny didy koa ny zavaboary

Daty
Zoma 21 February 2025

"Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?" - Mat. 8:27.

Mofon’aina:
Sasatry ny asa mafy (...) ny Mpamonjy, tonga izao ny fotoana isintahany (...), nitsotsotra teo amin'ny hazo mafin'ny sambokelin' ireo mpanarato Izy ka renoky ny tory. Tsy ela akory taorian'izay, dia niova ilay andro tony sy nahafinaritra teo. Niangona teo amin'ny lanitra ny raho-mainty matevina, ary nifofofofo teo amin'ny ranomasina ny tafio-drivotra mahery (...). Nilentika ny masoandro, ary nandrakotra ny lanitra teo ambonin'ny rano ny haizin'ny alina. Nipoaka mafy tamin'ny sambo ireo onja nisafoaka, nanambana ny hitelina azy isan-tsegôndra. (...) Tsy fantatr' ireo mpanarato (...) izay tokony hatao manoloana izany tafio-drivotra izany. (…) 

"Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?" (...) Namoha an'i Jesôsy tamin'ny torimaso (...) izany hiakiaka nitory fahaverezan-kevitra izany. (...) Tamin'ny fahamendrehan'ny lanitra no nitsanganany teo amin' ilay sambokely tsotran'ireo mpanarato, teo anivon'ny fisafoaky ny tafiotra sy ireo onja izay niantontatonta tamin'ny vatan-dohantsambo ary ireo tselatra nitsoriadriaka nahatsinjovana ny endriny tony sy tsy nisy tahotra. Natsangany ny tanany, (...) ary nilaza tamin'ny ranomasina nisamboaravoara Izy hoe: "Mangina, mitsahara." Nitsahatra ny tafio-drivotra, ary tony ireo onja nisafoaka teo. (...) Rehefa izay dia nitodika tany amin'ireo mpianatra i Jesôsy ka niteny mafy azy ireo hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo?" (Mar. 4:38-40) 

Fanginana tampoka no nanjaka teo amin'ireo mpianatra. (...) Na i Petera mpirehidrehitra aza dia tsy niezaka hanambara ny fitalanjonana ombam-panajana fatratra nameno ny fony. Nisetra ny loza tahaka ireo mpianatra koa ireo sambokely hafa niara-dia tamin'i Jesôsy. (...) Nisinda ny tahotra rehetra fa efa lasa ny loza. Nampifanakaiky ireo sambokely ny fisafoaky ny tafio-drivotra ka nahita ny fahagagana nataon'i Jesôsy avokoa izay tao an-tsambo. Tao anatin'ny fanginana (...) dia nifampibitsibitsika izy ireo hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?" - Mar. 4:41b. Tsy hadinon'ireo izay nanatri-maso izany na oviana na oviana io toe-javatra mahatalanjona io. - SP 2; tt. 307-309.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal