Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mankatò an'llay fahefana ambony indrindra.

Daty
Sabotsy 22 February 2025

 "Fa Petera sy ny Apôstôly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona." — Asa. 5:29.

Mofon’aina:
"Ilay foto-kevitra izay nijoroan'ny mpianatra tsy tamin-tahotra ho setrin'ny baiko natao taminy tsy hiteny intsony amin'ny anaran'i Jesôsy , ka nampiteny azy hoe: "Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra" - Asa. 4:19, mbola io ihany no nitoloman'ireo niandany tamin'ny Filazantsara hotazonina nandritra ny Fanavaozana ara-pivavahana. Tamin'ny taona 1529, rehefa nivory tany Diète any Spire ireo andriandahy Alemana nanatrika ny filankevitry ny fanjakana foibe, dia niseho tao ny didy navoakan'ny Amperora mametra ny fahafahana ara-pivavahana, ary misakana izay rehetra mety ho fanaparitahana ny foto-pinoana nohavaozina. (...) Hotampenana tsy hahatratra ny olona marobe mbola ao amin'ny haizina ve ny fahazavan'ny Filazantsara? Zava-dehibe indrindraª no ho vokatr'izao ho an'izao tontolo izao. Nifamory ireo nanaiky ny finoana nohavaozina ka izao no fanapahan-kevitra lanin'ny rehetra: «Holavintsika ny didy. Rehefa mikasika ny feon'ny fieritreretana, dia tsy manan-kery ny maro an'isa». Merle d'Aubigné, Tantaran'ny Fanavaozana ara-pivavahana, b. 13, toko 5. 

Tokony hotazonina mafy io foto-kevitra io amin'izao androntsika izao. Amin' izao ady farany izao, dia nafindra eto am-pelatanantsika ilay fanevan'ny fahamarinana sy ny fahafahana ara-pivavahana nasandratr'ireo nanorina ny fiangonan'ny Filazantsara avo sy ireo vavolombelon'Andriamanitra nandritra ireo taonjato maro efa lasa hatramin'izay. (...) Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin'Andriamanitra ny fitondram-panjakan'olombelona, ka hampianatra ny fankatoavana azy ho adidy marina, eo amin'ny faritra mifanaraka amin'ny lalàna isika. Rehefa manohitra ny fitakian'Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia Andriamanitra no tsy maintsy ekena mihoatra noho ny olona (...) Tsy azo ialana ny «izao no lazain' i Jehôvah » ho solon'ny hoe «izao no lazain'ny fiangonana» na ny ho «izao no lazain'ny fanjakana». (...)

Tokony hoheverina tsara ny tenintsika (...) sao mametraka antsika eo amin'ny toerana izay hilazana fa toa manohitra ny lalàna sy ny filaminana ny teny ataontsika. (...) Tokony handroso amin'ny anaran'i Kristy isika, ka hiaro ireo fahamarinana nankinina tamintsika. Raha raran'ny olona hanao io asa io isika, amin'izay isika dia afaka hiteny tahaka ny apostoly «(...) Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay». — VM, tt. 62,63. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal