Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tonga lafatra ny lalàna.

Daty
Alatsinainy 24 February 2025

"Tsy misy tsiny ny lalàn 'i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehôvah , mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehôvah , mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehôvah , mampahazava ny maso." - Sal. 19:7,8.

Mofon’aina:
Ilay Jesôsy tao ambadiky andry rahona izay nitarika ireo vahoaka hebreo ihany no mitarika antsika amin' izao. Izy ilay nanolotra lalàna hendry sy marina ary tsara tamin'ny Isiraely no miteny amintsika tahaka izay nataony tamin' izy ireo ihany. Miankina amin'ny fankatoavana mafy orina ny lalàn'Andriamanitra ny fiadanantsika sy ny fahasambarantsika. (...) Ny fandikana ny iray amin'ireo fitsipika ireo dia tsy fahatokiana amin'ilay Andriamanitry ny lanitra. Manan-danja ho an'ny fahasambarantsika sy ny fahasambaran'ireo rehetra mifandray amintsika ny fitandremana ny tsipiriany tsirairay amin'ny lalàna. "Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy." - Sal. 119:165. (...) Ny mpandika lalàna no tsy mahita fahatsarana eo amin'ny lalàn'Andriamanitra.

Hotsaraina amin'io lalàna io izao tontolo rehetra izao. Mahatratra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo izany, ary takiny ny fahadiovan'ny fisainana sy ny faniriana ary ny fikasana miafina indrindra. Takiny ny hitiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fo manontolo, ary ny hitiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika. Raha tsy eo ny fanehoana izany fitiavana izany, dia ho fihatsarambelatsihy fotsiny ny fitompoana ambony indrindra momba ny finoana. Takin'Andriamanitra ny fankatoavana ny lalàna avy amin'ny atifon'ny taranak'olombelona. (...)

Fahotana ny fidifiana kely foana amin'ny lalàna, amin'ny fanaovana an-tsirambina na koa ny fandikana izany an-tsitrapo, ary ny fahotana tsirairay dia mahatonga ny mpinota hiatrika ny fahatezeran'Andriamanitra. Hankahala ny famefena ataon'ny lalàn'Andriamanitra ny fo tsy voaova ka hanao izay handosirana ireo fitakiany masina. Miankina amin'ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny lalàn'Andriamanitra sy ny faharesen-dahatra momba ny fahamasinan'izany ary ny fankatoavana ny fitakiany ny mandrakizaintsika. Tsy maintsy resy lahatra ny amin'ny fahotany aloha ny lehilahy sy ny vehivavy vao hahatsapa ny filany an' i Kristy. (...) Ireo izay manitsakitsaka ny lalàn'Andriamanitra dia efa nandà ny hany fitaovana hamaritana amin'ny mpandika lalàna ny atao hoe fahotana. Manao ny asan'ilay mpamitaka lehibe izy ireo. -ST, 3 Marsa 1881. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal