Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanamasinana mifandrindra amin'ny fankatoavana.

Daty
Zoma 28 February 2025

"Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara hianareo, ary tsy hiharo amin 'izay ratsy." - Rôm. 16:19.

Mofon’aina:
Nahasahy nandika ireo fitakian'ny Tompo i Adama sy i Eva, ary tokony ho fampitandremana ho antsika mba tsy hanarahantsika ny ohatry ny tsy fankatoavana nasehon'izy ireo ny vokatra mahatsiravin'ny fahotany. Izao no vavaka nataon'i Kristy ho an'ireo mpianany: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." - Jao. 17:17. Tsy misy fanamasinana tena izy afa-tsy izay amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Ireo izay tia an'Andriamanitra amin'ny fony rehetra dia ho tia ny didiny koa. (...)

Tsy niova ny toetran'Andriamanitra. Izy ihany ilay Andriamanitra saro-piaro izay nanolotra ny lalàna tao Sinay sy nanoratra izany tamin'ny rantsan-tanany teo amin'ny vato fisaka. Mety hilaza ireo izay manitsakitsaka ny lalàna masin'Andriamanitra hoe: "voamasina aho" nefa samy hafa tanteraka ny hoe "voamasina" sy ny mitonona ho voamasina.

Tsy nanova ny lalàn' Andriamanitra ny Testamenta Vaovao. Mbola mafy orina tahaka ny seza fiandrianan'i Jehôvah ny fahamasinan'ny Sabata ao amin'ny didy fahefatra. Izao no nosoratan' i Jaona: "Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy. Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy." - 1 Jao. 3:4-6.

Azontsika atao ny manombana ny olona tahaka izay nataon'ilay mpianatra malala, raha toa izy ireo milaza ho mitoetra ao amin'i Kristy sy nahazo fanamasinana kanefa mandika ny lalàn'Andriamanitra. (...) Hoy izy: "Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. Izay manota dia avy amin 'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin 'ny voalohany." - and. 7,8a. Fomba fiteny mazava no nampiasain'ny apôstôly eto noho ny fiheverany fa manan-danja ny fanaovana izany.

Toe-tsain'ny fitiavana no nampirisihin'ireo epistily nosoratan'i Jaona, saingy rehefa miresaka momba ny sokajin'olona mandika ny lalàn'Andriamanitra nefa mitonona ho tsy manam-pahotana izy, dia tsy misalasala mampitandrina azy ireo ny amin'izany famitahana mahatahotra izany [1 Jao. 1:6-10]. - SL, tt. 67-69. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal