Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Efa naharesy izao tontolo izao Kristy.

Daty
Alakamisy 20 February 2025

Raha nitranga araka ny "idealy sitrapon'Andriamanitra" ny zavatra rehetra dia tsy ho nisy ny faharatsiana fa fahasambaran'ny fitiavana sy ny firindrana tonga lafatra no ho teo amin'ny toerany. Indray andro any dia haverina ho amin'izany sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra izany izao tontolo rehetra ary izao. Mandra-pahatonga izany fotoana izany dia manatanteraka ny sitrapony Andriamanitra amin'ny fomba izay tsy manao tsinontsinona ny fanapahan-kevitra raisin'ny voariny amin- kalalahana.

Alao sary an-tsaina ny fifaninanana iray momba ny fanaovana mofomamy, izay itakiana ny mpandray anjara rehetra mba hampiasa taharo maromaro efa voafaritra. Azon'izy ireo atao anefa ny manampy taharo hafa izay tiany mba hamoahana izay karazana mofomamy tiany hatao. Amin'ny farany, na inona na inona mofomamy namboarin'ilay mpanao mofo dia tsy maintsy hamaritra amin'ny ampahany ny mofomamy namboariny ireo taharo izay tsy nofidiny fa notakina hampiasainy.

Tahaka izany koa, noho ny faneken'Andriamanitra hanaja ny fahalalahan'ny voariny, izay takin'ny fitiavana, dia maro amin'ireo "taharo" mandrafitra ny tantaran'izao tontolo izao no tsy nofidin'Andriamanitra fa mifanohitra amin'izay niriny aza.

Araka izany fomba fijery izany, ny fitantanan'Andriamanitra dia tsy mahakasika Azy irery toy ny hoe Izy irery no mifehy ny zava-miseho rehetra. Tsy izany, fa mitaky lafiny гоа (farafahakeliny) amin'ny fomba fijery ny fitantanan'Andriamanitra izany. Andriamanitra no mahatonga ny fisehoan-javatra sasany eto amin'izao tontolo izao, fa ny toe-javatra sasany kosa dia vokatry ny safidy malalaka nataon'ny voary (tahaka izany koa ny ratsy rehetra). Zavatra maro no miseho nefa tsy tian'Andriamanitra hiseho.

Vakio ny Jao. 16:33. Inona ny fanantenana atolotr'ireo teny ireo antsika na dia eto anivon'ny fahoríana mara aza?

Mety hihozongozona ny finoan'ny olona, indrindra ao anatin'ny fotoam-pahoriana na ny fotoam-pitsapana, satria finoan-diso no tanany ka mahatonga azy hihevitra fa tokony hesorin Andriamanitra tsy ho eo amin'ny fiainany eto ny fahoriana sy ny fitsapana. Tantara samy hafa tanteraka anefa no tantarain'i Jesõsy amintsika, izay mampitandrina ny mpanara-dia azy fa handalo ny fanandraman'ny fizahan-toetra sy fahoriana izy ireo eto amin'ity tontolo ity nefa misy ny fanantenana satria efa naharesy izao tontolo izao i Kristy (Jao. 16:33).

Ny fiatrehantsika fahoriana sy fitsapana dia tsy midika fa izany tokoa no fanirian'Andriamanitra ho antsika. Aoka hohazonintsika ao an-tsaina mandrakariva ny toe-javatra lehibe ao ambadik'izany: ny fifanandrinana lehibe. Na izany aza, dia azontsika atao ny matoky fa na dia tsy mahasoa aza ny ratsy dia azon'Andriamanitra atao ny mamoaka zava-tsoa ho antsika avy amin'ny toe-javatra ratsy. Ary raha matoky an'i Jehôvah isika, dia azony ampiasaina na dia ny fahoriantsika aza mba hanintonana antsika hanakaiky Azy bebe kokoa ary mba handrisihana antsika hiantra sy hiahy ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal