Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafatra ho an'izao andro izao.

Daty
Alatsinainy 03 March 2025

"Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany." - Heb. 3:14.

Mofon’aina:
Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin'ny ranomasina sy teo ambonin'ny tany, ka nanangana ny tanany ankavanana ho amin'ny lanitra ary nianiana tamin’zay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony." - Apôk. 10:5,6. Manambara ny fiafaran'ireo vanim-potoana ara-paminaniana io hafatra io. Nangidy tokoa ny fahadisoam-panantenana ho an'ireo niandry ny hahita ny Tompontsika tamin'ny 1844, dia ireo izay niandrandra fatratra ny fisehoany. Drafitr'Andriamanitra mihitsy ny nisehoan'io fahadisoam-panantenana io mba hanehoana marina izay tao am-pon'ny maro.

Tsy misy singan-drahona iray nianjera tamin'izany ka tsy nanomanany azy; tsy nisy hery nitsanga-kanohitra ny asany ka tsy efa hitany mialoha. (...) To ny fikasany rehetra. Mifamatotra amin'ny seza fiandrianany ny lalàny ka tsy misy herin'ny ratsy maharava izany. Andriamanitra no manainga sy miaro ny fahamarinana; ary handresy ny fanoherana rehetra izany.

Ny lalàna aseho eo amin'ny toetra no filazantsaran'i Kristy. Ny famitahana atao hanoherana izany, ny paikady rehetra hiarovana ny sandoka, ny fahadisoana rehetra volavolain'ireo mpiasan'i Satana, dia ho montsamontsana mandrakizay, ary hiseho tahaka ny masoandro amin'ny mitataovovonana ny fandresen'ny fahamarinana. Hamirapiratra miaraka amin'ny fanasitranana eo amin'ny elany ilay Masoandron'ny Fahamarinana, ary ho feno ny voninahiny ny tany rehetra. (…)

Ho velona indray ireo fifandirana nisy tany aloha, ary hisy hatrany ireo fampianarana vaovao. Nefa ireo vahoakan'Andriamanitra izay efa nanao ny anjarany tamin'ny fitoriana ny hafatry ny anjely voalohany sy faharoa ary fahatelo, noho ny finoany sy ho fanatanterahana ny faminaniana, dia mahalala ny laharana tokony hisy azy. Sarobidy lavitra noho ny tena volamena ny fanandramana Tainan' izy ireo. Tokony hijoro tsy azo hozongozonina tahaka ny vatolampy izy ireo, hihazona mafy ny fitokiany hatramin'ny farany. - S1M, b. 2, tt. 108,109.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal