Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miasa amim-pahatokiana, mampiasa fotoana amim-pahendrena

Daty
Talata 04 March 2025

"Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." - Jao. 9:4.

Mofon’aina:
Nomen'i Kristy asa tokony hataony ny olombelona rehetra, ary tokony hanaiky ny fahendren'ny drafitra nataony ho antsika amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa Aminy amin-kafanam-po isika. Ao amin'ny fiainam-panompoana irery ihany no ahitana fifaliana tena izy. Fadiranovana tokoa ireo izay manana fiainana tsy misy antony sy feno fitiavan-tena. Tsy afa-po amin'ny tenany sy amin'ny hafa izy.

Ny mpiasa marina sy tsy tia tena ary feno fanoloran-tena dia mampiasa amim-pifaliana ny fanomezana ambony indrindra nomena azy amin'ny fanompoana ambany indrindra. Tsapany fa ny tena fanompoana dia midika ho fahitana ireo adidy asain' Andriamanitra ataontsika sy ny fanatanterahana izany.

Maro no tsy faly amin'ny asa izay nomen' Andriamanitra hataony. Tsy mahafa-po azy ireo ny manompo Azy amim-pifaliana eo amin'ny toerana notendreny hiasany, na ny manatanteraka tsy amim-pimonomononana ny asa nampiandraiketina azy.

Tsy mahadiso antsika ny maneho tsy fahafaham-po eo anatrehan'ny fomba anatanterahantsika ny adidy, saingy tsy tokony haneho tsy fifaliana. eo anatrehan'izany adidy izany isika noho ny faniriantsika hanao zavatra hafa eo amin'ny toeran'izany. Noho ny fahatsaran'Andriamanitra, dia napetrany eo anoloan'ny olombelona ny fanompoana izay ho fanasitranana ho an'ny fanahiny marary. Amin'izany no itarihany azy ireo hamela ireo fironana feno fitiavan-tena ao anatiny, izay raha ankamamiany dia hanaisotra aminy ny asa tokony homen'Andriamanitra azy. Raha manaiky sy manatanteraka izany fanompoana izany izy ireo dia ho sitrana ny fanahiny. Raha mandà kosa izy, dia miady amin'ny tenany sy amin'ny hafa.

Mametraka fitsipi-pifehezana ho an'ny mpiasany ny Tompo, mba hahatonga azy ireo ho vonona handray ny toerana notendreny ho azy. Iriny ny hamolavola ny fisainan'izy ireo hifanaraka amin'ny sitrapony. Noho izany indrindra no amelany azy ireo hozahan-toetra sy handalo fitsapana. Apetrany eo amin'ny toerana hiarovana azy tsy ho tratry ny fandriky ny baranahiny sy ny fahakamoana ny sasany; any no ampianarana ireny mpiasa ireny hahafantatra ny tombambidin'ny fotoana ka hampiasa izany amin'ny fomba tsara sy feno fahendrena indrindra. - MR 8: 422, 423.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal