Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manao ezaka ho amin'ny fanompoana

Daty
Alakamisy 06 March 2025

 "Kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona." - Jak. 4:14.

Mofon’aina:
Tsy misy fivavahana ao amin'ny fanindrahindrana ny "izaho". Takin'Andriamanitra ny hahamarina antsika eo anatrehany, ny hampiasana ireo talenta nomeny antsika mba hahazoantsika talenta hafa. Ny sitrapony no tokony ho sitrapontsika amin'ny zavatra rehetra. Mampitotongana ny toetsika ara-môraly ny fialana amin'ny fenitra napetrany. Mety hahatonga antsika hisandratra izany, mety hampanan-karena antsika ary hahatonga antsika hiara-mipetraka amin' ireo andriana, kanefa eo imason'Andriamanitra dia tsy madio isika no sady tsy masina. Efa natakalontsika tombontsoa feno fitiavan-tena ny fizokiantsika ka izao no voasoratra momba antsika any an-danitra: "nolanjaina tamin'ny mizanan'ny fitoerana masina ka hita fa latsa-danja"

Raha raisintsika ho fanomezan' Andriamanitra kosa ny talentantsika ary ampiasaintsika amin'ny fanompoana Azy amin'ny alalan'ny fangorahana sy ny fitiavana ireo namantsika, dia tonga fantsona hikorianan'ny fitahian'i Jehôvah amin'izao tontolo izao isika; ary rehefa ho avy ny andro lehibe amin'ny farany dia harahabaina amin'izao teny izao isika: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin 'ny fifalian'ny tomponao." - Mat. 25:21.

Mihazakazaka any amin'ny mandrakizay ny fotoana, izay feno toe-javatra fanararaotra sarobidy toy ny volamena mba hanompoana ny Tompo. (...) Moa ve hararaotinao ireny fotoana ireny raha mandalo? Tsy azonao atao ny manao tsinontsinona izany, satria tsy maintsy hijoro hotsaraina eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra ianao (...). Moa ve ny teninao mampahery ireo izay manatona anao mba hitady fanampiana sy fampaherezana? Moa ve ny hery miasa mangina avy aminao mampahatanjaka ireo izay mifandray aminao? Moa ve ny fanananao atolotrao amim-pahatokiana ho an'ny Tompo?

 Atokany ho amin'ny fanompoana ny Tompo ny tenanao anio. (...) Apetraho eo amin'ny Tompo ny ahiahinao, ary aza avela hampisaraka anao Aminy ny zavatr'ity tany ity. Atokany ho Azy ny momba anao sy izay anananao rehetra, fa "fanompoana mety" ataonao izany. Aza miandriandry, satria misy loza ao anatin'ny fotoan'ny fitaredretra (...). - Lio. 16:2b. - ST, 21 Janoary 1897. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal