Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ireo adidy ara-pivavahana.

Daty
Zoma 07 March 2025

"Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiasan'ny haren'Ilay miasa mahery ao anatiko." - Kôl. 1:29.

Mofon’aina:

Napetrak' Andriamanitra tamin'ny olombelona ny asany masina, ary takiny ny hanaovan'izy ireo izany amim-pitandremana. (... ) Be loatra ny zavatra enjehiny atao eo amin'ny fiainana. Mampihemotra ho amin'ny rahampitso ny zavatra mila ny fifantohany androany izy ka very fotoana betsaka amin'ny fanatrarana ireo zavatra natao ankilabao. Azon'ny lehilahy sy ny vehivavy atao ny manatratra fatra ambony kokoa amin'ny fanasoavana ny hafa ka tsy hitondra toe-tsaina sy fihetsehampo miiba mandritra ny fiainany. Azony atao ny miala amin'ireo kileman-toetra noraisiny hatramin'ny fahazazany. Tahaka an'i Paoly, azon'izy ireo atao ny miasa mba hanatratra fenitra ambony kokoa amin'ny fahatanterahana.

Tsy tokony hitsitapatapaka ny fanaovana ny asan'Andriamanitra. Tsy araka ny fahataitairana no tokony hanatanterahana izany. Tsy izany, fa ilaina indrindra ny manao ny asa tsara amim-paharetana, isan' andro isan' andro, ka mihamandroso eo amin'ny fomba fanaovantsika izany. Tsara ny mifoha amin'ny ora tsy miovaova. Raha atao tsirambina ny asa mandritra ny andro, ary lanina amin'ny fanonerana ny fotoana lany ny alina, dia ho hita eo amin'ireo andro manaraka izany ny saina sasatra sy ny vatana torovana. Fandikana ankitsirano ny lalàn'ny fiainana sy ny lalàn'ny fahasalamana izany.

Tokony tsy hiovaova ny ora fifohazana, ny fiarahan'ny mpianakavy mivavaka, ny fisakafoana ary ny ora fiasana. Adidy ara-pivavahana ny mihazona izany ho fitsipika (...) amin'ny fampiharana hentitra. Maro no mandanilany foana ireo ora sarobidin'ny maraina satria antenainy fa azony atao ny mamita ny asa nataony an-tsirambina mandritra ireo ora tokony hatoriana. Misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fivavahana sy ny fahasalamana ary ny fahombiazana izany tsy fisian'ny rafi-pivavahana marina izany. (...)

Tokony hiala amin'ny fomba fiasany mitaredretra ny mpiasa sasany ka hianatra hanao asa mailamailaka. Ilaina ny fahakingana sy ny fahamailahana. Raha tiantsika ny hiasa araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy maintsy atao amin'ny fomba mailaka izany kanefa amim-pifantohana sy amim-pitandremana tsara. - MR 8:326, 327.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal