Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampiasao ny talenta nalevina.

Daty
Alahady 09 March 2025

"Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra." - Kôl. 4:5,6.

Mofon’aina:
Katsaho ny fiovana ho an'ny tenanao sy ny sainao ary ny fanahinao. Misikina ary atombohy ny fampiasana ny fananan'ny Tomponao. Hahazo talenta hafa ianao raha manao izany. Ny fanahy tsirairay izay nanankinana talenta dia tokony hampiasa izany hahasoa ny hafa. Iza no hilaza izao amin'ny andro lehiben'ny fampamoahana: "natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao" - Mat. 25:25? Izao no hambaran'ny Tompo amin'ny olona manao izany: "Ry mpanompo ratsy sady malaina (...) tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany." - and. 26, 27.

Mbola antsoin'ny Tompo hatrany ireo izay jamba manoloana ny tsy fahampiany, ireo afa-po amin'ny tenany ka manao drafitra sy paikady hahafahany mitady ny tombontsoan'ny tenany. Andriamanitra dia manampy ireo jamba ara-panahy mba hahitan'izy ireo fa misy tontolo tokony hovonjena. Tokony haharihary amin'ireo izay tsy mahalala izany ny fahamarinana (...).

An'arivony amin'ireo tsy manao ny asan'Andriamanitra ankehitriny no tokony hihady ireo talenta naleviny ka hanankina izany amin'ny mpanàna vola. Misy ireo mihevitra fa azo antoka ny hahazoany ny lanitra kanefa ny lalany sy ny fisainany ihany no arahiny (...). Aoka ireo lehilahy sy vehivavy mahatsapa fiadanana ao Ziona hametraka izao fanontaniana izao momba ny tenany: inona no ataoko ao amin'ny tanimboaloboky ny Tompo? (...) Nahoana aho no tsy mianatra ao amin'ny sekolin'i Kristy ny fahatsoram-po sy ny fanetren-tena? (...) Nahoana aho no tsy Kristianina feno fahavononana ka tsy mampiasa ny heriko rehetra amin'ny fiezahana hamonjy ireo fanahy manodidina ahy izay efa ho very? Moa ve ny tenin'Andriamanitra tsy milaza hoe: "Fa mpiara-miasa amin 'Andriamanitra izahay; ary sahan 'Andriamanitra sy trano arafitr 'Andriamanitra hianareo" - 1 Kôr. 3:9? Moa ve aho tsy hanorina toetra mendrika (...) ary koa hanolokolo ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ao amiko sy ao amin'ny hafa amin'ny alalan'ny fanamasinan'ny fahamarinana? - RH, 21 Aogôsitra 1900.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal