Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampiasa tsara ny hery miasa mangina noho ny fahasoavana

Daty
Sabotsy 29 March 2025

 "Ary izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be." — Lio. 16:10.

Mofon’aina:
Hery ny toetra amam-panahy. Ny vavolombelona mangina entin'ny fiainana marina (...) dia hery tsy azo toherina mihitsy. Ny fanehoantsika eo amin'ny fiainantsika ny toetra amam-panahin'i Kristy, dia fiarahantsika miasa Aminy eo amin'ny asa famonjem-panahy. (...) Ary arakaraka ny maha-lehibe ny faritra hiasan'ny hery avy amintsika no habetsahan'ny soa mety ho vitantsika. Rehefa manaraka ny ohatra nomen'i Kristy ireo izay milaza fa manompo an'Andriamanitra, ka mampihatra ny foto-kevitry ny lalàna eo amin'ny fiainany andavanandro; rehefa vavolombelona ny asany rehetra fa tia an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra izy ary tia ny namany tahaka ny tenany, amin'izay ny fiangonana dia hanana hery hanetsika an'izao tontolo izao. 

Nefa tsy tokony hohadinoina na oviana na oviana fa ny hery miasa avy amin'ny tena dia mety ho hery miasa ho amin'ny ratsy koa. (...) Eritreritra mahatahotra izany hoe hery miasa mangina avy amintsika no ho hanitry ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. (...) Ny famelany ny fiahiahiana sy ny fialonana ary ny tsy fifaliana aseho  fiteny, dia fanoloran-tena ho fiasan'i Satana. Alohan'ny hahatsapany izay ataony, dia efa nahatanteraka ny fikasany tamin'ny alalan'izy ireo ny fahavalo. (...) Ny tsy fahatokiana, ny tsy finoana, ny fivadihana an-kitsirano dia efa naka ny toeran'ny Mpamonjy tao am-po. Amin' izay fotoana izay dia afa-po ny mpiasan'i Satana mijery ireo notarihiny ho amin'ny fisalasalana, ary ankehitriny efa mafy tsy 1aitry ny fananarana sy ny fiangaviana intsony. Mandoka tena izy fa raha ampitahaina amin'ireo fanahy ireo dia tsara toetra sy marina kokoa. Tsy tsapany fa ireo faharavan-toetra amam-panahy mahonena ireo dia asan'ny lelany tsy voafehy sy ny fony mpikomy ihany. (...)

 Toy izany koa ny toetra maivamaivana, ny fampanaranampo ny tena, ny tsy firaihana feno tsirambina (...) dia mampivily fanahy maro hiala amin'ny lalan'ny fiainana. Betsaka no hatahotra hanatrika ny vokatry ny hery miasa mangina avy aminy eo amin'ny toeram-pitsaran'Andriamanitra.

 Amin'ny alalan'ny fahasoavan' Andriamanitra ihany no ahazoantsika mampiasa tsara io fanomezana io. tt. 350-352.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal