Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Tian’Andriamanitra ho takatsika izay lazainy.

Daty
Alatsinainy 31 March 2025

Tsy misy zavatra miteraka fahasorenana tahaka ny filan'ny olona iray miresaka amin'olona, ao amin'ny toeram-pitsaboana na fivarotam-panafody ohatra, raha any amin'ny firenena iray izy nefa zara raha hainy ny fiteny ao. Hainy izay tokony holazainy saingy tsy hitany ny voambolana mahalaza tsara izany.

Olana samy hafa amin'izany no miseho eo amin'Andriamanitra. Hoy Izy: "Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo." Isa. 55:9. Tsy ny tsy fananan'Andriamanitra voambolana hoentina mifandray amintsika no olana fa ny tsy fananantsika voambolana na fahalalana hoenti-manakatra amin'ny fahafenoany izay tiany hambara.

Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fahasamihafan'ny fahatakaran'Andriamanitra sy ny fahatakarantsika?

Sal. 139:1-6
………………………………………………………………………….………………………………………
Sal. 147:5 ………………………………………………………………………….………………………………………

Rôm. 11:33 ………………………………………………………………………….………………………………………

1 Jao. 3:20 ………………………………………………………………………….………………………………………

Raha ny marina dia tsy ho takatsika amin'ny fahafenoany na oviana na oviana ny fisainan’Andriamanitra noho ny maha-tsy manam-petra sy mahalala ny zavatra rehetra Azy. Raha ny zavatra rehetra momba ny zavaboary aza tsy takatsika tanteraka, ahoana moa no hananantsika fahatakarana feno momba ny Mpamorona azy? Tsy haintsika izany.

Tsy ho takatsika na oviana na oviana ny momba ny zavatra rehetra saingy azontsika takarina kosa izay ilaina ho amin'ny famonjena antsika. (Jereo ny 2 Tim. 3:14,15). Rehefa nanazava momba ny filazantsara tamin'ireo mpamaky ny epistiliny ireo apôstôly dia matetika izy ireo no niresaka momba ny faminaniana efa tanteraka, avy tamin'izany no nanatsoahany hevitra fa anisan'ny tanjona fototry ny faminaniana ny haneho ny drafi-pamonjena. Amin'ny farany, dia tsy maintsy hitarika antsika hankeo amin'i Jesôsy sy ny teny fikasan'ny famonjena izay atolony ny olombelona rehetra ny faminanian'ny Baiboly, na amin'ny fomba ahoana na ahoana.

Nidina teto an-tany tokoa ny Tompo, izay nahariana ny zavatra rehetra (Kol. 1:16; Jao. 1:1-3), ary nanolotra ny Tenany ho sorona teo amin'ny hazo fijaliana noho ny fahotan'ny olombelona rehetra, eny fa na izay fadiranovana indrindra aza. Tahaka izany ny haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika rehetra. Rehefa nanao izay rehetra azony natao ho antsika Izy, dia mazava loatra fa irin'Andriamanitra ny hahalalan'ny olona rehetra ny zavatra atolony ho antsika ao amin'i Jesôsy . Ary ny faminaniana no afaka manatanteraka izany.

Marina fa maro ny zavatra tsy fantatsika, nahoana anefa no zava-dehibe ny mifantoka amin'izay fantatsika sy ny manaraka izany fa tsy sahiran-tsaina loatra amin'izay tsy fantatsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal