Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra fiovam-po marina.

Daty
Zoma 18 April 2025

"Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehôvah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely ny didy sy ny fitsipika." - Ezra 7:10.

Mofon’aina:
Tamin'ny maha-taranak'i Arôna azy no nahazoan'i Ezra ny fiofanana ho mpisorona. Nilozoka koa nandinika ireo bokin'ny mpanana ody sy ny mpanandro ary ny olon-ke ridrin'ny fanjakana Mediana sy Persiana izy. Na izany aza anefa dia tsy afa-po tamin'ny toetra ara-pa lahy nananany izy, fa nitady fatratra hampifanaraka ny fiainany tamin'ny Tompo, ka naniry mafy ha lazo fahendrena avy any ambony mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Koa dia "nampiomana ny fony  hitady ny làlan'i  Jehôvah ka hankatò izany " Izy.

Nahatonga azy hianatra tsara ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, dia araka izay voatantara ao amin'ny soratra navelan ' ireo mpaminany sy mpanjaka. Nodinihiny ireo boky misy tantara sy tononkira ao amin'ny Baiboly hahalalany ny antony namelan'Andriamanitra an' i Jerosalema holevonina sy ny namelany ny Jiosy hobaboina tany amin'ny tanin'ny mpanompo sampy. 

Nandalina manokana indrindra ny tantaran'ny Isiraely i Ezra, nanomboka tamin'ny fotoana nandraisan' i Abrahama ny teny fikasana avy tamin'Andriamanitra ka hatramin'ny nanafahana azy ireo tamin'ny fan indevozan'ny Egiptianina. Nianarany ireo torohevitra nomena tany amin'ny tendrombohitra Sinay sy ireo noraisin'ny vahoaka jiosy nandritra ny firenireneny tany an' efitra. Arakaraka ny nahafantarany ny fomba mahagaga nitondran'Andriamanitra ny vahoakany no nahatohina lalina ny fony sy nahalalany bebe kokoa ny fahamasinan'ny Lalàna nomena teo Sinay. Nandalo tamin'ny fiovam-po marina izy, ary tapa-kevitra hianatra sy hahafehy ny tantara ao amin'ny Testamenta Taloha, tsy hanomezana fahafaham-po ny tenany fotsiny, fa hahafahany mampahita soa sy fahazavana ny vahoaka jiosy amin' izany koa. Teo an-dalam-pahatanterahana ny sasany tamin'ireo faminaniana; nokatsahiny tamim-pahazotoana ilay fahazavana izay nohamaizinina.

Niezaka niomana ho amin'ny asa izay noheveriny fa nankinina taminy i Ezra. Nikatsaka an'Andriamanitra mafy tokoa izy mba hahatonga ny tenany ho mpanompo sy mpampianatra tsy hanala baraka ny Tompony. Nodinihiny ireo teny nosoratana momba ny adidin'ny vahoaka voafidin'Andriamanitra, ary hitany ny faneken'ny Isiraelita sy ny fanoloran-tenany hankatò ny Tenin'ny Tompo, ary ny fanoloran-tenan'Andriamanitra ho setrin'izany kosa, fa hotahiny tokoa izy ireo raha mankatò. — RH, 30 Janoary 1908. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal